Sorona Masina ny Alakamisy 24 jona 2021

24 JIONA

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY NAHATERAHAN’I MD JOANY BATISTA

Tononkira fidirana

Jo. 1, 6-7; Lk. 1, 17

 

Nisy olona tonga nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany. Tonga ho vavolombelona hanambara ny fahazavana izy, mba hanomana firenena lavorary ho an’ny Tompo.

 

Asina VONINAHITRA ANIE…

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nofidinao i Masindahy Joany Batista hanomana firenena lavorary ho an’i Kristy Tompo; koa mba ataovy masina sy faly ny vahoakanao ary tariho izahay mino Anao hizotra amin’ny lalam-pamonjena sy fiadanana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona symanjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 49, 1-6

 

Hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao.

Mihainoa ahy, ry nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! Ny Tompo efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny. Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho, nataony zana-tsipîka maranitra aho, nafeniny tao amin’ny tranon-jana-tsipîkany. Ary hoy Izy tamiko: “Mpanompoko ianao, ry Israely, izay hataoko reharehako.” Dia hoy kosa aho: “Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.” Fa ao amin’ny Tompo ny rariny ananako, ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy. Ary ankehitriny miteny ny Tompo, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho, ary Andriamanitro no heriko. Hoy Izy: “Mbola zavatra kely foana no maha-mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 138, 1-3. 13-14ab. 14d. 15

 

Fiv.: Midera Anao aho, fa mahatalanjona Ianao.

Tompo ô, dinihinao aho ka fantatrao tokoa! Mipetraka aho, mitsangana: fantatrao; mbola lavitra ny hevitro dia tsinjonao. Voadinikao aho na mamindra na miato; tsy misy manavao Anao ny momba ahy.
Ianao nahary ahy tongotra aman-tanana sy namboatra ahy tao an-kibon’ineny: midera Anao aho izay voaarinao, izay asan-tananao mampitolagaga.
Fantatrao manontolo ny tenako, tsy niafina taminao ny momba ahy, fony izaho niforona tao amin’ny miafina, sy nitenona tao anatin’ny tany.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 13, 22-26

 

Talohan’ny nahatongavan’i Kristy dia nitory teny i Joany.

Tamin’izany andro izany, i Paoly nilaza hoe: “I Davida no natsangan’Andriamanitra ho mpanjakan’ireo razantsika, fa izy ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe: ‘Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra’. Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely. Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra; ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: ‘Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho’, Ry havana taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 57-66. 80

 

Joany no anarany.

Tamin’izany andro izany, nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy. Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany, fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. Fa niteny ireniny nanao hoe: “Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy.” Fa hoy izy ireo taminy: “Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany.” Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. Dia nangataka fafana izy ary nanoratra hoe: “Joany no anarany”; ka gaga daholo izy rehetra. Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra. Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany. Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony, ka nanao hoe: “Ho inona re, ity zaza ity? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.” Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao andro ankalazantsika an’i Md. Joany Batista izao, dia akambano ny fontsika hivavaka mba samy hiezaka tsy an-kijanona ny olombelona hanomana ny hahatongavan’i Kristy hanjaka eto amintsika.

Valy: Henoy, ry Tompo ô, henoy ny vavakay; henoy re izahay.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba hahaizany hanambara an’i Kristy, sy hanomana ny fon’ny olona handray Azy.
* I Joany Batista dia sahy nanapotsitra ny kileman’ny mpiara-belona taminy, na dia ny an’ireo mpitondra vahoaka aza; koa mivavaha mba hisy mandrakariva ny hiaro ny fahamarinana.
* Nitoka-monina tany an’efitra i Joany Batista hiomana amin’ny raharaha masina nanirahana azy; koa angataho Andriamanitra tsy hitsahatra hiantso lehilahy sy vehivavy hanokan-tena hivavaka sy ho tia ny fahanginana.
* Mivavaha mba samy hahay hanomana ny fahatongavan’i Kristy isika, ary ny fiainan’ny fiangonantsika anie hahatarika ny olona hanatona an’i Jesoa, tahaka ny fiainan’i Joany Batista.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, nataonao lehibe indrindra amin’ny mpaminany i Md. Joany Batista; koa ataovy manetry tena sy mahery fo hoatra azy izahay, mba ho mendrika ho anisan’ny Fanjakanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao izahay mankalaza ny fitsingerenan’ny nahaterahan’i Masindahy Joany Batista, Ilay nanambara fa ho avy ny Mpamonjy an’izao tontolo izao ary nanoro Azy nony tonga Izy.

Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa midera Anao avo indrindra izahay noho i Masindahy Joany Batista Mpialoha lalana Azy, ilay navahanao homem-boninahitra amin’ny samy natera-behivavy. Nampirebi-karavoana izy fony vao teraka ary nientan-kafaliana fony mbola tany am-bohoka, tamin’ny nahatongavan’ny Mpamonjy ny olombelona, ka izy no hany mpaminany nanoro an’Ilay Zanak’ondry mpanavotra.

Ny rano nanasany an’Ilay mpanorina ny Batemy dia manambara fa ny rano velona no hoenti-manamasina any aoriana, ary ny ra nafoiny no vavolombelona fanaperana manambara ny finoany an’i Kristy.

Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany, miaraka amin’ny Herin’ny lanitra, mihoby Anao Avo Indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina…

 

Kômonio

Lk. 1, 78

Nangoraka antsika Andriamanitra ka nampiposaka ilay masoandro maraina hamangy antsika avy any ambony.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanasan’ny Zanak’ondry izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: ka enga anie ny Eglizinao faly mankalaza ny nahaterahan’i Masindahy Joany Batista mba hankatò an’ilay nambarany fa ho avy, dia i Kristy loharanon’ny aim-baovao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0674