Sorona Masina ny Alarobia 23 jona 2021

Herinandro faha-12 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9

 

Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

 

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 22, 8-13 ; 23, 1-3

 

Novakîn’ny mpanjaka teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao amin’ny tranon’ny Tompo, ka nanao ny fifanekem-pihavanana teo anatrehan’ny Tompo izy.

Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Helkiasa mpisorona lehibe tamin’i Safàna mpanoratra: “Hitako tao an-tranon’ny Tompo ny bokin’ny Lalàna.” Ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky ka novakîny. Rahefa izany, nandeha hilaza ny toe-draharaha amin’ny mpanjaka i Safàna mpanoratra ka nanao hoe: “Efa nalain’ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano, ka napetrany eo an-tanan’izay mandraharaha ny asa, izay voatendry ho mpitandrina ao an-tranon’ny Tompo.” Izao koa no nampandrenesin’i Safàna mpanoratra ny mpanjaka: “Misy boky nomen’i Helkiasa mpisorona ahy”; sady novakîny teo anatrehan’ny mpanjaka. Nony nandre ny teny tao amin’ny Lalàna ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany, sady nanome didy an’i Helkiasa mpisorona, sy i Ahikama zanak’i Safàna sy i Akôbôra zanak’i Mikà, sy i Safàna mpanoratra ary i Asaiasa mpanompon’ny mpanjaka hoe: “Mandehana ianareo manontany amin’ny Tompo ho ahy sy ny vahoaka mbamin’i Jodà rehetra, ny amin’ny teny ato amin’itý boky vao hita itý, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’ny Tompo, noho ny tsy naneken’ny razantsika ny tenin’itý boky itý, amin’ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.”

Ary ny mpanjaka naniraka hamory ny loholon’i Jodà sy Jerosalema rehetra ho ao aminy. Dia niakatra ho ao an-tranon’ny Tompo ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka novakîny teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao an-tranon’ny Tompo. Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan’ny Tompo, nanekeny hanaraka ny Tompo sy hitandrina ny didy amam-pitsipika ary ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fankatoavana ny tenin’izany fanekena izany izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary nankatò izany fanekena izany koa ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 33-34. 35-36. 37 sy 40.

 

Fiv.: Tompo ô, toroy ny lalan’ny fitsipikao aho.

Tompo ô, toroy ny lalan’ny fitsipikao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny farany. Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho; fa io no hafinaretako. Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, fa tsy amin’ny fitiavan-karena.
Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny lalanao aho. Indro manina ny lahatrao aho; koa velomy amin’ny fahamarinanao.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 15, 1-12. 17-18

 

Nino ny Tompo i Abrahama ary neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Tamin’izany andro izany, tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Aza matahotra, ry Abrahama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.” Fa hoy ny navalin’i Abrahama: “Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no omenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasy.” Nanampy teny ihany i Abrahama: “Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.”

Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.” Dia nentiny nivoaka izy, ka nilazany hoe: “Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahaisa azy ianao”, ary hoy Izy taminy: “Ho tahaka izay ny taranakao.” Ary nino i Abrahama ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Ary hoy Izy taminy: “Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao itý tany itý hanananao azy.” Hoy ny navalin’i Abrahama: “Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?” Dia hoy ny Tompo taminy: “Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, domohina iray ary vanto-boromailala iray.” Dia nentin’i Abrahama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahany roa mitovy avy izy rehetra ireo, dia nifampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona kosa tsy mba nosasahany. Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrahama. Raha ilay nilentika iny ny masoandro, dia rendriky ny torimaso mafy i Abrahama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy. Nony maty ny masoandro ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. Tamin’izany andro izany, nanao fanekena tamin’i Abrahama ny Tompo nanao hoe: “Homeko ny taranakao itý tany itý, hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9

 

Fiv.: Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo! Antsao ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga.
Ireharehao ny Anarany Masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo! Katsaho ny Tompo sy ny Heriny! Tadiavo lalandava ny Tavany!
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny Fitsaràny.
Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny, dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo: ilay niantohany tamin’i Abrahama, sy nianianany tamin’i Isaaka.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 15-20

 

Ny voany no hahafantaranareo azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

 

na hoe:

Jo. 10, 11-15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin’i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082