Sorona Masina ny Asabotsy 12 jona 2021

NY FO MADION'I MARIA VIRJINY

(Sabotsy manaraka ny fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa)

Tononkira fidirana

Salamo  12,6

Andeha isika hiara-misaotra amin'ny Renin'ny Mpamonjy : ny famonjenao no hientanan'ny foko, hihira ho an'ny Tompo aho, noho ny soa nataony tamiko.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanomana tao amin'ny Fon'i Maria Virjiny fonenana mendrika ny Fanahy Masina ; ka enga anie ny vavaka ataony mba  hahatonga anay ho tempolin'ny voninahitrao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

 

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin'Izaia Mpaminany

Iz 61, 9-11

Feno hafaliana ao amin’ny Tompo aho

 

Ny taranak'izy ireo, halaza eny amin'ny firenena; ary ny tamingany any amin'ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin'ny Tompo izy ireo.

Ho revon-kafaliana eo amin'ny Tompo aho, ary hiravoravo amin'ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

Fa toy ny ampanirian'ny tany ny tsimoka eo aminy, sy toy ny ampitsimohan'ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian'ny Tompo Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.

Salamo

1 Sam. 2, 1. 4-5. 6-7. 8

Fiv.: Ravo amin’ny Tompo ny foko!

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.

Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.

Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty, 

mampanana sy mandevona ny Tompo,
ampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,

akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka


Lk. 2, 41-51

Fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony

 

Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin'ny andro fetin'ny Paka; ka nony efa roa ambin'ny folo taona izy, dia niakatra araka ny fanao amin'izany fety izany izy ireo, ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. Nataon'izy ireo ho niaraka tamin'ny niray dia taminy izy, ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin'ny tempoly izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izay rehetra nandre azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita azy izy ireo dia gaga, ary hoy reniny taminy: Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao. Fa hoy izy taminy: Nahoana no nitady ahy hianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin'ny Raiko aho? Faingy tsy azon'izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta izy, ary dia nanaiky azy; fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. 

 

Vavaka Fanolorana

Ray ô, tsinjovy ny vavaka sy ny fanatitra atolotray mpino mankalaza an'i Masina Maria Renin'Andriamanitra, ka enga anie hankasitrahanao sy hampanakaiky anay Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio


Lk. 2,19

Maria kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mahatsiaro ny Reny niteraka ny Zanakao izahay, ry Ray, ary nahazo nandray anjara tamin'ny sakramenta fanavotana anay, ka mba ataovy sambatra enim-pahasoavana ary handre fa mandaitra ao aminay hatrany ny hasin'i Kristy Mpamonjy.

Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay.  Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0188