Sorona Masina ny Alakamisy 10 jona 2021

Herinandro faha-10 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2


Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

Mpanj. 18, 41-46


Nivavaka i Elia, ary nanome orana ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, hoy i Elia tamin’i Akaba: “Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.” Dia niakatra hihinana sy hisotro i Akaba, fa i Elia kosa niakatra ho any an-tampon’i Karmela, sady niondrika tandrifin’ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan’ny lohaliny, ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe: “Miakara kely, tazano ny arý amin’ny ranomasina.” Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe: “Tsy misy na inona na inona.” Ary hoy i Elia: “Miverena koa impito.” Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy: “Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.” Ka hoy i Elia: “Mandehana lazao amin’i Akaba hoe: Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.” Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny oram-be, ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela. Ary teo amin’i Elia ny tanan’ny Tompo ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 64, 10abde. 10f-11. 12-13.


Fiv.: Mendrika Anao, ry Andriamanitra ny dera ao Siôna.

Tonga Ianao ka mamangy ny tany. Dia nanondraka rano sy harena. Dibo-drano ny onin’ny lanitra hahavokatra izay hojinjaina.
Dia nokolokoloinao ny tany. Ny vava asa voatondrakao rano; ka ny bainga narovanao tsara, izay nafafy notsofinao rano.
Ary zina ny taona tontolo, fa nandalo tokoa izany, Tompo; dia ho lonaka erý ny tanety, ny havoana mirenty haravoana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 3, 15— 4, 1. 3-6


Andriamanitra no manaza ny fonay mba hampazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andrimanitra.

Ry kristianina havana, mandraka ankehitriny, isaky ny vakîna ny tenin’i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon’ny zanak’i Israely. Fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona. Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana. Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay Fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava. Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindram-po natao taminay. Matoa misy miafina ny Evanjelinay, dia amin’izay manary tena no iafenany, izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra. Fa tsy ny tenanay no torinay, fa i Jesoa Kristy Tompontsika, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa. Satria Andriamanitra izay mandidy hoe: “aoka ny mazava hiposaka ao amin’ny maizina”, no manazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14.


Fiv.: Honina amin’ny tanintsika ny voninahitry ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo. Mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany. Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy. Honenan’ny lazany etý amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana. Ny rariny ombam-piadanana hatrany. Ny hitsiny hita mitsiry amy tany.
Mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny raviny. Handrotsaka orana anie Izy Tompo. Izay hampamokatra tsara ny tany. Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 20-26


Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina; ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra ka hatao an-tranomaizina ianao. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.


na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104