Sorona Masina ny Alakamisy 03 jona 2021

Herinandro faha-9 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 24, 16. 18


Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.


Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 2, 8-15


Tsy mba voafetra ny tenin’Andriamanitra. Raha miara-maty aminy isika dia hiara-belona aminy koa.

Ry malala, tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely torìko, izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra. Noho izany, dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay. Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika; raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14.


Fiv.: Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy.

na: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, hotanterahinay.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ny soritrao ampianaro ahy. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo: fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsara fo sy mahitsy ny Tompo. Ka ny mpanota toroany lalana; ny ory tarihiny amin’ny hitsiny; ny ory ampianariny ny lalany.
Ny lalan’ny Tompo rehetra hatsaram-po sy fahamarinana amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny. Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy; ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Tôbia

Tôb. 6, 10-11a ; 7, 1. 9-17 ; 8, 4-10


Ny Tompo naniraka anareo ho atý amiko mba hanambadian’ny zanako vavy anao.

Tamin’izany andro izany, dia hoy i Tôbia tamin’ny anjely: “Aiza no tianao hialantsika sasatra?” Ary hoy ny anjely namaly azy: “Eto misy lehilahy anankiray atao hoe Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.” Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana. Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray i Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo. Fa hoy i Tôbia: “Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao aloha ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanakavavinao.” Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia hidiran-doza toy izany koa itý. Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tôbia, no hoy itý anjely taminy: “Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin’itý tovolahy itý, fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.” Dia hoy i Ragoela tamin’izay: “Tsy misalasala aho, fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko; ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atý amiko, mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany araka ny lalàn’i Môizy. Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.” Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tôbia ka hoy izy: “Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama, ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba, hanakambana anareo anie Izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.” Rahefa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo. Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.

Avy eo i Tôbia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: “Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafakampitso; Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rahefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika. Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.” Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana. Hoy i Tôbia: “Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra Anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy. Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany, sy nanome an’i Eva ho vadiny. Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko no angalako an’itý zanakavavin’i Israely itý ho vadiko, fa noho ny faniriako te-hamela taranaka izay hidera ny Anaranao amin’ny taona rehetra ihany.” Ary hoy i Sarà: “Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay, enga anie ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5.


Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo!

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny Lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao; ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao: solofon’oliva manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 28b-34


Izany no didy voalohany, ary ny faharoa mitovy aminy koa.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa sy nanontany Azy hoe: “Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia itý: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana; koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. Ary itý no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy: “Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy, ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra, ary amin’ny hery rehetra ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.” Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.” Ary hatramin’izay, dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.


na hoe:

Mt. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’nv Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084