Sorona Masina ny Alarobia 02 jona 2021

Herinandro faha-9 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 24, 16. 18

 

Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Fiandohan’ny taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 1, 1-3. 6-12

 

Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa, mamangy an’i Timôte, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Kristy Jesoa Tompontsika. Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko amin’ny saina madio aho, araka ny nataon’ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako. Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao. Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra, izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra, sy naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely. Izany Evanjely izany, no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny jentily; ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 122, 1-2a. 2bde

 

Fiv.: Any aminao ny masoko, ry Tompo, no andraiko.

Ry Tompoko, Ianao izay mitoetra any ambony! Ny masoko miandra mibanjina Anao. Sahala amin’ny mason’ireo mpanompo, miandra ny tanan’ny tompony hatrany.
Sahala amy mason’ny mpanompovavy, miandra ny tanan’ny tompony hatrany. Iantrao re izahay Andriamanitra Tompo, fa vokin’ny eso, efa tofoka loatra!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Tôbia

Tôb. 3, 1-11. 24-25

 

Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.

Velon-tsento i Tôbia ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe: “Marina Ianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsaranao, antra sy hitsiny aman-drariny ny lalànao rehetra. Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsiahivinao ao amin’ny fahatsiarovanao ny fahotako sy ny an’ny razako. Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin’ny fandrobana, ho amin’ny fahababoana, ho amin’ny fahafatesana sy ho amin’ny fihomehezana ary ho amin’ny fandatsana eo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay. Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin’ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao. Koa amin’izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitra-ponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.”

Tamin’izay andro izay ihany koa, tany Ekbatàna, tanànan’ny Meda, dia nandre, ny fanebahan’ny iray amin’ny ankizivavin-drainy azy, i Sarà zanakavavin-dRagoela. Fa lehilahy fito no samy efa namoahana azy ho vadiny nefa nisy demony anankiray atao hoe i Asmôdea namono an’ireo, raha vao handeha taminy izy. Ka raha niteny an’ilay ankizivavy iny izy, noho izay hadisoany anankiray izay, dia izao no navalin’io azy: “Aza ahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany ianao na oviana na oviana, ry ilay mpamono vadinao; tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao.” Raha nandre izany teny izany i Sarà dia niakatra tany an’efitranon’ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso mba hanafaka azy amin’izany fahafaham-baràka izany. Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo. Ny Anjely masin’ny Tompo, i Rafaela, no voairaka hanasitrana an’i Tôbia sy i Sarà, fa ny vavak’izy ireo dia indray notononina teo anatrehan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 24, 2-4a. 4b-5ab. 6-7. 8-9.

 

Fiv.: Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko.

Ianao, ry Andriamanitro, no ifefeko: tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra; ny mpivadika tsy amin’antony no ho azon-kenatra.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy; ny soritrao, ampianaro ahy! Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo: fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao, izay efa hatramin’ny fahagola! Ny otako fahazaza, ry Tompo, hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ka ny mpanota toroany lalana; ny ory tarihiny amin’ny hitsiny; ny ory ampianariny ny lalany.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 18-27

 

Andriamanitry ny velona Izy fa tsy Andriamanitry ny maty.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?” Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe: “Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?” Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.

 

na hoe:

Mt. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.

 

Vavaka aorian’nv Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008