Sorona Masina ny Alatsinainy 31 mey 2021

31 Mey NY FAMANGIAN’I MASINA MARIA


Fankalazana

Ao antenatenan’ireo telo volana manasaraka ny fankalazana ny nahatongavan’ny Tompo ho nofo sy ny nahaterahan’i Md. Joany Batista no ankalazan’ny Eglizy ny namangian’i Masina Maria an’i EIizabeta.
Telo volana teo ho eo, hoy ny Evanjely, no nipetrahan’i Maria tany amin-dry Elizabeta, ary ny foto-diany tamin’izany dia ny hiandry vohoka sy hampifana itý rahavaviny.
Tsy vitan’ny fihaonan’ny mpirahavavy fotsiny ny azy ireo tamin’itý indray maka itý, fa fihaonan’ny reny anankiroa be voninahitra, dia ilay reny nitondra am-bohoka ny Mesia, sy ilay reny hiteraka ny Mpialoha lalana ny Mpamonjy. Zava-dehibe no efa eo an-dalam-panatanterahana ho an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ireto reny roa ireto. Nentanin’izany mistery lehibe izany i Maria sy i Elizabeta ka samy heni-karavoana lehibe dia lehibe. Tamin’ny famangian’i Maria no indro niseho lany ny maha-renin’Andriamanitra azy, fa raha vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony ary feno ny Fanahy Marina i Elizabeta ka nanandra-peo hoe: ”Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompo aho? ... sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.” (Lk. 1, 41-45)
Mangataha isika mba hoentanin’ny Fanahy Masina izay nitantana an’i Maria sy Elizabeta.


Tononkira fidirana

Salamo 65, 16.

Tongava avokoa ianareo izay matahotra an’Andriarnanitra! Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko.


Asiana Voninahitra anie ...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, notoroanao hevitra i Masina Maria Virjiny bevohoka ny Zanakao, hamangy an’i Elizabeta, koa mihanta aminao izahay: aoka hanaraka ny torohevitry ny Fanahy Masina ho afaka mankalaza Anao lalandava miaraka aminy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Bokin’i Sôfônia Mpaminany

Sôf. 3, 14-18a.


Ny Tompo mpanjakan’i Israely eo aminao.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy mirehareha amin’ny fonao rehetra ry zanakavavin’i Jerosalema. Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao. Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema: “Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana! Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao: hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana. Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Na: Vakiteny hafa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 12, 9-16b.


Mifankatiava toy ny ifankativan’ny mpirahalahy.

Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy; mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olomasina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra; aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Iz. 12, 2-3. 4. 5-6.


Fiv. : Lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Intý ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia ny Tompo,
Izy no famonjena ahy teo.

Hanovo rano an-kafaliana ianareo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ary izao no holazainareo amin’izany andro izany.

Miderà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany.

Mihirà ho an’ny Tompo fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.
Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 39-56.


Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!” Ary hoy i Maria: “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, nampodîny mitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka hankasitrahanao Avo indrindra, ry Andriamanitra, ny Sorona mahavonjy ataonay, toy ny nankasitrahanao ny fitiava-namana nanainga an’ilay Reny masin’ny Zanakao Lahitokana.

Izay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray masina, ary ny mankasitraka Anao sy midera Anao amin’izao andro fankalazana ny Famangian’i Masina Maria Virjiny izao. Nalofan’ny Fanahy Masina izy ka nanana ny Zanakao Lahitokana: ary voatahiry ny voninahitra maha-virjiny azy fony izy nanome an’izao tontolo izao Ilay Fahazavana mandrakizay, dia i Jesoa Kristy Tomponay. Ilay ideran’ny Anjely Anao avo indrindra, itsaohan’ny Fiandrianana Anao, anajan’ny Fahefana Anao amin-tahotra ary iarahan’ny lanitra sy ny herin’ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo mankalaza ny voninahitrao. Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe:

Masina, Masina, Masina ...


Kômonio

Lk. 1, 46-49.

Hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria nanao zava-dehibe tamiko Ilay Mahefa, Ilay antsoina hoe «Masina».


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, aoka hankalaza Anao ny Eglizy fa manao zava-dehibe Ianao amin’ireo mpanomponao, ary Ilay mbola tsy niseho nefa nampientan-kafaliana an’i Joany no aoka hampienta-kafaliana ny Eglizy fa velona lalandava ao amin’izao Sakramenta izao, dia i Jesoa Kristy Tomponay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0489