Sorona Masina ny Zoma 28 mey 2021

Herinandro faha-8 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 17, 19-20

 

Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahaory aho, nafahany satria tiany!

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 4, 7-13

 

Samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy ianareo, ka mahaiza mizara tsara.

Ry kristianina havana, efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka. Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Mifampiantranoa ka aza asiana monjomonjo. Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara. Izay miteny, aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay. Amen.

Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjo anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita; fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 95, 10. 11-12. 13

 

Fiv.: Avia mba hitsena ny Tompo fa tamy Izy hitsara ny tany.

He! ny Tompo irery no Mpanjaka. Itony tany: vitany mijoro. Izany rariny entiny mitsara. Mifalia, ry lanitra sy tany.
Aoka hidobodoboka ny riaka, ka hifalihavanja izany saha. Mandihiza ianao, ry hazo an’ala, anoloan’ny Tompo: Indro Izy.
Indro Izy hitsara izao tontolo izao. Itony tany itony hozakainy. Ny ambanilanitra hotsarainy, ilazany «marina» hatrany.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesistika 44, 1. 9-13

 

Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza, sy ny razan’ny karazantsika. Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony; fa levona toy ny tsy nisy akory; nanjary toy ny tsy teraka akory, ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy. Ireo voalohany dia olona tia vavaka, ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny. Raikitra ho anjaran’ny taranany ny hasambarana ary misy lova azo antoka ho an’ny zanany. Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany; mbamin’ny zanany koa noho ny amin’izy ireo. Maharitra mandrakizay ny taranany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b.

 

Fiv.: Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany, ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an’Andriamanitra; ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 11, 11-26

 

Ny Tranoko dia trano fivavahana ho an’ny firenena.

Tamin’izany andro izany, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay. Dia hoy Izy tamin’ny aviavy: “Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay.” Ary ren’ny mpianany izany.

Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromailala, ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly, sady nampianatra Izy nanao hoe: “Moa tsy voasoratra hoe: Ny Tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.” Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany. Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.

Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fakany ilay aviavy. Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe: “Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.” Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Manàna finoana an’Andriamanitra. Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin’itý tendrombohitra itý hoe: Mialà ianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy, fa ho tanteraka tokoa izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan’izany. Koa amin’izany lazaiko aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. Fa raha tsy mamela ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Avo indrindra.

 

na hoe:

Mt. 18, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081