Sorona Masina ny Alakamisy 27 mey 2021

Herinandro faha-8 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 17, 19-20


Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahaory aho, nafahany satria tiany!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 2, 2-5. 9-12


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo.

Ry kristianina havana, maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, rahefa nandramanareo fa mamy ny Tompo. Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa; ary ianareo kosa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho Tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga: dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny. Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo. Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rahefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5.


Fiv.: Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo, ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra. Fa Azy isika satria nohariany. Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra. Ny ao an-kianjany, idiro amin-dera. Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany antsika. Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiastika 42, 15-25


Ny asan’ny Tompo feno ny voninahiny.

Hotsahiviko izao ny asan’ny Tompo, ary hotorìko izay hitako. Ny tenin’ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra. Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra; asan’ny Tompo, feno ny voninahiny izy. Ny olo-masiny dia tsy nataon’ny Tompo mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany, izay naorin’ny Tompo Tsitoha mafy, mba ho mafy orina izao tontolo izao amin’ny voninahiny. Tsapainy ny halalin’ny ranomasina sy ny fon’ny olombelona; ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra. Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo; ary hitany ny famantaram-potoana. Manambara ny lasa sy ny ho avy Izy, ary mampiharihary ny dian’ny zava-miafina. Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona Azy. Noravahany ny asa lehiben’ny fahendreny: talohan’ny taona rehetra Izy, ary haharitra mandrakizay; tsy nampiana na inona na inona ny tenany, tsy nanesorana na inona na inona ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza Izy. Endrey, ny hatsaran-tarehin’ny asany rehetra! ary izay banjinin’ny olona amin’ireny anefa dia kilalaon’afo fotsiny. Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay, ho amin’izay rehetra ilàna azy; ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra. Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin’ny iray, ary tsy nisy nataony mankamin’ny faharavana. Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran’ny anankiray: iza no mety ho afa-po amin’ny fijerena ny Voninahitry ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.


Fiv.: Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo.

Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo. Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo; ny tafiny rehetra: ny fofon’ain’ny vavany. Ny ranon’ny ranomasina nangoniny anaty siny; ny hantsam-be nataony anaty fahi-drano.
Ry tany tontolo matahora ny Tompo; mangovita ny mponina amin’izao rehetra izao: fa teniny dia vita; didiny, dia tafajoro!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 46-52


Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.” Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: “Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.” Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: “Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.” Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?” Dia hoy ilay jamba: “Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.” Ary hoy i Jesoa: “Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.” Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Avo indrindra.


na hoe:

Mt. 18, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084