Sorona Masina ny Talata 25 mey 2021

Herinandro faha-8 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 17, 19-20


Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahaory aho, nafahany satria tiany!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 1, 10-16


Ny famonjena no zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.

Ry kristianina havana, raha ny amin’ny famonjena ny fanahy dia zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo. Nohadihadîn’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irîn’ny Anjely hojerena.

Koa amin’izany, sikino ny andilam-panahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra. Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3d-4


Fiv.: Hitan’ny firenena ny famonjen’ny Tompo.

Ihirao antsavao ny Tompo, fa mahagaga ny zava-bitany! Fa ny tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny!
Ka dia hitan’ny firenena ny famonjeny amam-pahamarinany! Mba tsarovy, ry Israely, ilay fitiavany tsy mivadika.
He! zahao e, ry vazan-zany, izato vonjin’Andriamanitra! O ry tany, derao ny Tompo ka mientàna amin-karavoana!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiestika 35, 1-15


Manolotra sorom-pihavanana ireo miraikitra amin’ny didy.

Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro; ary ny miraikitra amin’ny didy, dia manolotra sorom-pihavanana. Ny misaotra dia manao fanatitra lafarinina tsara indrindra; ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana. Ny ankasitrahan’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy; ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina. Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao, fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny. Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina; ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra. Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina; ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany. Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be; ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao. Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao, ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao. Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao, amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao. Fa manome valy ny Tompo, ka hamerina impito hoatra ny nataonao. Aza mitady hanangoly Azy amin’ny fanatitra, fa tsy horaisiny akory izany, ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina; fa mpitsara ny Tompo, ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 49, 5-6. 7-8. 14 sy 23.


Fiv.: Hohetsahin’Andriamanitra amin’ny vonjiny izay mandeha amin’ny marina.

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona! Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra. Eny, Andriamanitra no ilay Mpitsara!
Mandrenesa, ry oloko, fa hiteny Aho; fa hampamoaka anao Aho, ry Israely: dia Izaho Andriamanitra, ilay Andriamanitrao! Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!
Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra; ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra. Izay misorona saotra no hasaiko ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 28-31


Hahazo zato heny ianareo amin’itý fiainana itý, na dia anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

Tamin’izany andro izany, i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.” Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Avo indrindra.


na hoe:

Mt. 18, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085