Sorona Masina ny Alatsinainy 24 mey 2021

Herinandro faha-8 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 17, 19-20


Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahaory aho, nafahany satria tiany!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohany nosoratan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 1, 3-9


Rahefa voazaha toetra ny finoanareo, dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.

Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho an’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.

Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa dia mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro isehoan’i Jesoa Kristy. Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia mbola tsy mibanjina Azy aza izao; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra, sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 110, 1-2. 5-6. 9-10d


Fiv.: Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay ny Tompo.

Deraiko amin’ny foko tontolo ny Tompo, anatrehan’ireo olo-marina, ao anivon’ny Fiangonam-beny. Lehibe manko ny asan’ny Tompo.
Mitsimbina, eny, miantra ny Tompo, ka omeny sakafo ny olona, dia ireo olona mino ny Tompo nananganany ilay fanekena.
Nasehony koa ny herin’ny Tompo, anatrehan’ireo izay voafidy. Ka ny lova omeny azy ireo dia ny lovan’ireo firenena.
Nandray famonjena ny olom-boafidy, fanekem-baovao no iorenany ka mijoro ho mandrakizay. Eny, masina manko ny Tompo.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiastika 17, 19-24


Miverena amin’ny Tompo ary mialà amin’ny tsy fahamarinana.

Izay mibebaka, dia eken’Andriamanitra ny hiverenany, ary izay very fanantenana, alany alahelo. Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana; mivavaha eo anoloan’ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao. Miverena amin’ny Avo indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana, ary ankahalao mafy izay vetaveta. Iza no hidera ny Avo indrindra, any amin’ny Seoly, hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra Azy? Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy, fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo. Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo! sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.


Fiv.: Mifalia ao amin’ny Tompo, miravoa, ry olo-marina.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota! Eny, sambatra ny olona tsy itanan’ny Tompo hadisoana, sy tsy misy fitaka eo am-bava!
Koa nitsorako taminao ny otako; tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho: dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!
Koa amin’ny andro fahoriana, ny mpivavaka rehetra hidera Anao; raha ho tondraka ny ranobe, izy tsy mba ho trany!
Ianao no fiereko miaro amin’ny loza; izaho hodidininao hiram-pahafahana!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 17-27


Amidio ny fanananao, dia avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” ary hoy i Jesoa taminy: “Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.” Dia hoy ny navaliny Azy: “Ry Mpampianatra ô, hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.” Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: “Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.” Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: “Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!” Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: “Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza àry no mety ho voavonjy?” Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: “Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Avo indrindra.


na hoe:

Mt. 18, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205