Sorona Masina ny Alakamisy 20 mey 2021

Herinandro faha-7 — Fankalazana ny Paka

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Heb. 4, 16


Matokia isika manatona ny fiketrahan’ny fahasoavana mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana hanampy antsika hatrany. Aleloia!


Fangatahana

Ny Fanahinao anie, ry Tompo, handrotsaka be dia be ny fanomezana masina ao am-ponay sy hanome anay izay toe-tsaina mahafatra-po Anao sy hanofana anay hifanaraka amin’ny sitra-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 22, 30 ; 23, 6-11


Tsy maintsy hanambara Ahy any Rôma koa ianao.

Tamin’izany andro izany, te-hahalala marina izay antony niampangan’ny Jody an’i Paoly ny Kômandy rômanina, ka nasainy hovahana izy, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrina, dia nentina i Paoly, ka napetrany teo afovoan’izy ireo.

Nony fantatr’i Paoly fa Sadoseanina ny sasany tamin’izay teo, ary Farisianina ny sasany, dia niantso teo amin’ny Sanedrina izy nanao hoe: “Ry rahalahy, Izaho dia Farisianina, ary amin’ny fanantenantsika ny amin’ny fitsanganan-ko velona no itsaràna ahy.” Vao nilaza izany izy, dia nifanditra ny Farisianina sy ny Sadoseanina, ka nizara roa toko ny olona teo. Fa ny Sadoseanina manao hoe: Tsy misy fitsanganan-ko velona, ary tsy misy koa izay hoe Anjely na fanahy: nefa ny Farisianina kosa mino ireo zavatra rehetra ireo, ka tabataba nankarenina no niseho. Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin’ny antokon’ny Farisianina, nitsangana ka nanohitra hoe: “Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an’io lehilahy io, fa angamba fanahy na anjely anankiray no niteny taminy.” Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon’ny Kômandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova. Nony alina, dia niseho tamin’i Paoly ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Matokia, fa tahaka ny nanambarànao Ahy tatý Jerosalema no tsy maintsy hanambarànao Ahy any Rôma koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10. 11


Fiv.: Andriamanitra ô, ambeno aho, mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno fa Ianao re no hany ifefeko, hasambarako tokana an-tany. Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay. Toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako, Tompo, Ianao, fa nanolotra saina, fanahy sy nanoro ny foko hatrany. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala ankavanako Izy, ka hisaorako mandrakizay.
Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana, izay mameno ny foko tontolo sy manenika izato fanahy. Ka ny foko mandry amin-toky; fa tsy foinao ho levona ny aiko, ny olon-tianao tsy foinao ho faty.
E! ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany, ka nameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay izay mitoetra eo ankavananao, hasambarana tsy mety ritra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 20-26


Mba ho iray ihany izy ireo.

Tamin’izany andro izany, niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka hoe: “Tsy ho azy ireto ihany no angatahiko, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao Aminao, ary mba hiray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomena Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 16, 7

Ny marina no lazaiko aminareo, fa mahasoa anareo ny handehanako, satria raha tsy mandeha Aho, tsy ho avy atý aminareo ny Fanahy Mpisolovava, hoy ny Tompo. Aleloia


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ny Kômonio masina noraisinay hampianatra anay hahalala ny marina sy hankahery anay ho tafita any amin’ny fanomezana masina any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0671