Sorona Masina ny Alakamisy 13 mey 2021

I JESOA KRISTY NIAKATRA ANY AN-DANITRA

OMANO NY HIVERENAN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Asa 1, 11

Nahoana ianareo no gaga mibanjina ny lanitra eto, ry lehilahy avy any Galilea? Tahaka ny nahitanareo an’i Jesoa niakatra any an-danitra iny no mbola hahatongavany indray. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, ataovy heni-kafaliana masina ny fonay sy mirebi-karavoana, misaotra Anao amim-pitiavana; satria ny fiakaran’i Kristy Zanakao any an-danitra dia efa fanandratana anay, ary ny voninahitra nidiran’Izy Filohanay kosa, dia efa fanantenana ho anay rantsam-batany.
Amin’ny alalan’Izy Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka … Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 1, 1-11

Nakarina teo anatrehan’izy ireo Izy.

Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny, hatramin’ny andro nampiakarana Azy, nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny. Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray, araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy. Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano, ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy. Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: “Tompoko, amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?” Fa hoy ny navaliny azy ireo: “Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany. Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria, ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.

Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo: ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe: “Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9


Fiv.: Andriamanitra miakatra arahina hoby, ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana; mifalifalia ianareo Anjely: fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka; ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao! Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy: koa arindrao izany antsa. Andriamanitra am-piketrahany masina manjaka amin’ireo firenena.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 1, 17-23


Napetraky ny Ray eo ankavanany any an-danitra Izy.

Ry kristianina havana, Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina, ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha. Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany, tamin’ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra, ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa, fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy, izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

Aleloia.


Taona A

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt.28, 16-20

Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Tamin’izany andro izany, ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Taona B

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 16, 15-20

Nakarina any an-danitra Izy ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa, ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay mino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny”. Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo, no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Taona D

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 46-53

Raha mbola nitso-drano azy ireo izy dia nakarina ho any an-danitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany, ary niteny tamin’izy ireo nanao hoe: “Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torîna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany. Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony”. Dia nentiny nivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tanany Izy, ka nitso-drano azy. Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra. Iretsy kosa, rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, ary tao anatin’ny Tempoly mandrakaniva izy ireo, nidera sy nisaotra an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Amin’izao fankalazana ny Tompo niakatra any an-danitra izao, dia miaraha isika mivavaka mba hahasintona ny mason’ny olombelona ankehitriny koa ny lalana nosoritan’i Kristy mankany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; ary mivavaha mba tsy hanadino ny mandrakizay izao tontolo izao.

Valy: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô!

* Irahin’i Kristy hitondra ny hafatra navelany, ho ren’izao tontolo izao ny Eglizy, ka angataho mba hohazavainy sy homeny hery hatrany, hahatafita izany hafatra izany amin’ny olombelona rehetra amin’ny toerana rehetra sy amin’ny andro rehetra.
* Mivavaha mba tsy haharenoka antsika hipetra-potsiny ny fanantenana ny lanitra, fa handrisika antsika hanatsara ny fiainana eto an-tany, hanomanantsika ny fiainana mandrakizay.
* Misy firenena sasany manao mamy fo velona na manjakazaka amin’ny hafa; koa mivavaha mba ho foana ny fireharehany sy ny fitompoany teny fantatra, hahamora ny hanjakan’ny hevitra atoron’ny Evanjely.
* Ny antony ivavahan’ny olona sasany dia ny ho tonga any an-danitra fotsiny ihany; koa mivavaha mba hiezahantsika rehetra ny hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany, dia fiaraha-monina anjakan’ny fahamarinana sy ny fitiavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, efa roa arivo taona izao no nanirahanao ny Apôstôly hitory ny Evanjely, nefa mbola tsy tontosa ny fanirianao, koa omeo mpiasa ny Eglizinao: Omeo Pretra sy mpikatroka samihafa, mahery fo, hanitatra ny Fanjakanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mitalaho aminao izahay manolotra Sorona ankalazana ny Zanakao niakatra amim-boninahitra, ary mihanta aminao noho ireto fanatitra ifandraisanay aminao: mba ataovy tafatsangan-ko velona hiaraka aminy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo.


Kômonio

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampifandraisinao amin’ny zavatra any an-danitra izahay ety an-tany, koa mihanta aminao: enga anie ny fo amam-panahinay mino Anao mba hiezaka ho any aminao fototry ny ainay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751