Sorona Masina ny Alarobia 05 mey 2021

Herinandro faha-5 — Fankalazana ny Paka

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Salamo 70, 8. 23

 

Ny vavako fenoy fiderana Anao mba hiantsàko Anao. Hihoby Anao ny molotro, hiantsa Anao aho. Aleloia!

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, havaozinao tsy hanan-tsiny ny fonay mpanomponao ary sitrakao rahefa madio, koa tariho hitodika any aminao; efa navotanao izahay fa tao amin’ny haizina fony mbola tsy nino, ka hosanatriavinay ny handao ny fahamarinanao manazava anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 15, 1-6

 

Nifanara-kevitra izy ireo fa hiara-miakatra any Jerosalema handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ny zavatra niadiany hevitra.

Tamin’izany andro izany, dia nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: “Raha tsy foràna araka ny Lalàn’i Môizy ianareo, dia tsy ho voavonjy.” Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe, ary ny sasany amin’izy andaniny, handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra. Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo, vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria, nitantara ny nibebahan’ny Jentily, ka nahafaly indrindra ny rahalahy rehetra izany. Nony tonga tany Jerosalema izy ireo, dia noraisin’ny Eglizy sy ny Apostôly mbamin’ny Pretra, ary nilaza ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy. Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisianina, ka nanao hoe: “Tsy maintsy hoforàna ny Jentily, sy didiana hanaraka ny Lalàn’i Môizy.” Dia nivory ny Apôstôly sy ny loholona mba handinika izany raharaha izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 121, 1-3. 4-5

 

Fiv.: Faly aho nilazana hoe: Andeha ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra, nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo. Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia. Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo. Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely. Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao, ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 1-8

 

Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko. Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako dia mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina, ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao, ka hitohy hatrany ao aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

 

Nitsangan-ko velona ny Tompo ary nanazava antsika izay navotany tamin’ny Rany. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Jereo amin’ny fo tony izahay andian’ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin’ny Ra masin’ny Zanakao mba omeo toerana soa aman-tsara any amin’ny tanimbilonao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008