Sorona Masina ny Alatsinainy 03 mey 2021

3 Mey

Md. FILIPO sy JAKÔBA, Apôstôly

(Taonjato voalohany)

 

Fankalazana

I Md. Filipo dia teraka tany Betsaida (Galilea). Mpianatr’i Md. Joany Batista izy talohan’ny niantsoan’i Jesoa azy. Izy ilay nilaza tamin’ny Tompo hoe: “Asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izany, ry Tompo”, ka novalian’i Jesoa hoe: “Izay mahita Ahy, ry Filipo, dia mahita ny Ray.” Nony efa nandray ny Fanahy Masina niaraka tamin’ireo Apôstôly namany izy dia nandeha nitory ny Evanjely tany Asia Minora, ary noho ny fikelezana aina nataony sy ny fombàn’Andriamanitra azy, dia betsaka no nino ny teniny, ka nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpanavotra. Tao an-tanànan’i Hiérpopolis (Torkia) no nahafaty martiry an’i Md. Filipo.
I Md. Jakôba kosa, dia teraka tany Kanà any Galilea. Ny rainy dia i Alfe, ary ny reniny dia i Maria zanak’i Kleôfasy, zanak’olo-mirahavavy amin’i Masina Maria, izay antsoin’ny Evanjely hoe rahavavin’i Masina Maria.
Antsoina hoe Jakôba “Zandriny” izy hanavahana azy amin’i Jakôba rahalahin’i Joany (25 jolay) izay voaantso talohany. Taorian’ny Pantekôty, rahefa nifampizara ny toerana halehany hitory ny Evanjely, ny Apôstôly, dia izy no voatendry ho Eveka voalohany tao Jerosalema. Nanoratra Taratasy iray (voaraikitra ao amin’ny Testamenta Vaovao) izy, nanomezany anatra soa ho an’ny Jody rehetra tafaely eran’izao tontolo izao: anisan’ireny ny nilazany fa ny finoana tsy arahin’asa dia maty, sy ny nampisehoany fa zava-dehibe tsy azo hamaivanina eo amin’ny fiainana kristianina ny Sakramenta Fanosorana ny marary.
Toy ny Apôstôly namany, dia maty martiry koa i Md. Jakôba, fa tahaka an’i Kristy koa dia nangata-pamelana tamin’Andriamanitra ho an’ireo namono azy izy talohan’ny nahataperan’ny ainy. Araka ny lovan-tsofina, dia ny sisan-taolan’i Md. Filipo sy Md. Jakôba Zandriny no natao ao amin’ny ôtelin’ilay Bazilikan’ny Apôstôly 12 lahy ao Rôma tamin’ny fitokanana azy (1 mey 565). Izany no nahatonga ho andro iray ny fankalazana an’i Md. Filipo sy Jakôba Apôstôly.
Misaora an’Andriamanitra isika amin’ny nanomezany antsika ny finoana mahavonjy izay nampianarin’ny Apôstôly niely eran’izao tontolo izao ka namoizany ny rany halatsaka mba hankatoavana azy.

 

Tononkira fidirana

Fatra-pitia marina an-dry Masindahy Filipo sy Jakôba ny Tompo, ka nifidy azy ary nanome voninahitra azy mandrakizay.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, omenao hafaliana isan-taona izahay mankalaza an’i Masindahy Filipo sy i Jakôba Apôstôly, ary mivavaka ho anay izy ireo, ka enga anie izahay miombom-piainana amin’ny Zanakao nijaly sy nitsangan-ko velona mba ho mendrika hahita Anao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

 

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny krsitianina tany Kôrinto

Kôr. 15, 1-8

 

Niseho tamin’i Jakôba ny Tompo, vao tamin’ny Apôstôty rehetra.

Ry kristianina havana, ampahatsiaroviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo. Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo. Manaraka izany dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. Rahefa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstoly rehetra. Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5

 

Fiv.: Ny soratra ataony tsinjo eran-tany.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra. Ny asany kosa torìn’ny habakabaka. Ny andro milaza amin’ny andro manaraka. Ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany; tsy feo mba manako horenesin’ny sofina. Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony; miely tsy tana ny hafatra entiny.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 6-14

 

Izay ela izay no nitoerako teto aminareo nefa tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Tômà nanao hoe: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.” Dia hoy i Filipo taminy: “Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo dia hotanterahiko izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra atolotray mankalaza an’i Masindahy Filipo sy i Jakôba Apôstôly hanananay finoana marina tsy misy famahony.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly I

 

Kômonio

Jo. 14, 8-9

Tompo ô, asehoy anay ny Ray, dia ampy anay izany! Izay mahita Ahy, ry Filipo, mahita ny Raiko. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba diovy, ry Tompo, ny fonay nandray ny zava-masina: ampio izahay handinika ny Zanakao hahitanay Anao toa an’i Masindahy Filipo sy i Jakôba Apôstôly ka hahazo ny fiainana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078