Sorona Masina ny Zoma 30 aprily 2021

Herinandro faha-4 — Fankalazana ny Paka

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Apôk. 5, 9-10

 

Ny Ranao, ry Tompo, no nanavotanao anay, dia izahay avy amin’ny foko rehetra sy ny samihafa fiteny mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra, ary natsanganao izahay ho fanjakana mpisorona ho an’ny Andriamanitray. Aleloia!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Mpanafaka anay sy Mpamonjy anay ô, mba henoy ny feonay mitalaho aminao: enga anie ireo navotanao tamin’ny Ra nalatsaky ny Zanakao mba ho velona miray aminao sy hiadam-pinaritra ao aminao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 13, 26-33

 

Notanterahin’Andriamanitra ny teny napetraka tamin’ny Razantsika tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona.

Tamin’izany andro izany, nony tonga tany Pisidia any Antiôkia i Paoly, dia niteny tao amin’ny Sinagôga nanao hoe: “Ry rahalahy taranak’i Abrahama sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao, satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala Azy, ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata, tamin’ny nanamelohany Azy; ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty. Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy, vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona. Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy, ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny. Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin’ny razantsika, fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany, tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona, araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe: Zanako Ianao: Izaho no niteraka Anao androany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 2, 6-7. 8-9. 10-11

 

Fiv.: Zanako Ianao Izaho no niteraka Anao androany.

Izaho no nametraka Azy ho Mpanjaka eo Siôna vohitro masina! Koa ambarako ny didin’ny Tompo: Zanako Ianao, hoy Izy mantsy Ahy: Izaho no niteraka Anao androany.
Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena, ny ho fanananao ny faran’ny tany! Poteho amin-tehim-by ireny, ataovy fanamontsana vilany tany!
Koa mahafantara, ianareo Mpanjaka, mahalalà, ry mpitsara ny tany! Tompoy amin-tahotra ny Tompo; orohy amin-kovitra ny tongony.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 1-6

 

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako.” Dia hoy i Tômà taminy: “Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Enga anie ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitray fianakavianao, ka mba tohano sy arovy izahay hahatahiry izay noraisinay ary ho tody any amin’ny soa omenao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

Rôm. 4, 25

Natolotra hisolo voina antsika meloka i Kristy Tompontsika, ary nitsangana indray mba hanamarina antsika. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba arovy amin’ny fitiavanao mandrakariva ireo izay novonjenao; ka enga anie izay navotan’ny Zanakao nijaly sy maty ho faly mankalaza Azy nitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086