Sorona Masina ny Talata 20 aprily 2021

Herinandro faha-3 — Fankalazana ny Paka

TALATA


Tononkira fidirana

Apôk. 19, 5 ; 12, 10


Samia midera ny Andriamanitsika, ianareo rehetra matahotra ny Tompo, na ny kely na ny lehibe, satria tonga ankehitriny ny famonjena sy ny herin’ny fanjakan’i Kristy Zanany. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, novohainao ny varavaran’ny fanjakan’ny lanitra hidiran’ireo nateraka indray tamin’ny rano sy ny Fanahy Masina, koa arotsahy hitombo amin’ireto mpanomponao ny fahasoavana efa nomenao: ary enga anie izy tsy ho diso anjara amin’izay rehetra nampanantenainao be fitiavana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 7, 51-59


Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.

Tamin’izany andro izany, hoy i Etiena tamin’ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna: “Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina ianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa. Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’Ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy, dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely, kanefa tsy nitandrina azy.” Nony nandre izany izy ireo dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy. Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: “Indro hitako ny lanitra misokatra mbamin’ny Zanak’Olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.” Fa indray nihoraka izy rehetra sady nanentsin-tadîny no niara-niantoraka taminy. Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etiena kosa nivavaka nanao hoe: “Jesoa Tompo ô; raiso ny fanahiko.” Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.” Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 30, 3de-4. 6ab sy 7b sy 8a. 17 sy 21ab


Fiv.: Apetrako eo am-pelatananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena! Vonjeo aho ry Trano fiarovana! Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy! Ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!
Apetrako eo an-tananao ny aiko: avoty aho, ry Tompo Andriamanitra! Ianao kosa no ifefeko! Mibitaka sy ravo aho noho ny hatsaram-ponao.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao! Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao! Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy, lavitry ny tetika ataon’ny olona.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 30-35


Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko.

Tamin’izany andro izany, hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa: “Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra.” Ary hoy izy ireo taminy: “Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana, fa Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay, Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Rôm. 6, 8

Raha miara-maty amin’i Kristy isika dia mino fa hiara-belona aminy koa. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao, fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lò ho enim-boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0573