Sorona Masina ny Alahady 18 aprily 2021

ALAHADY FAHA-3 – Taona B - fankalazana ny Paka

VELONA MARINA I KRISTY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 65, 1-2

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo. Antsao ny Anarany be voninahitra. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, hientan-karavoana lalandava anie izahay vahoakanao fa mirana sy tomady nahazo aim-baovao; ary faly izahay ankehitriny tafaverina amin’ny voninahitra maha-zanaka natsangana, ka enga anie ho fo manantena ny valisoa azo antoka, no hiandrasanay ny andro fitsanganan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 3, 13-15. 17-19

Novonoinareo ny Tompon’ny aina, fa natsangan’Andriamanitra ho velona Izy.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’ny vahoaka i Piera nanao hoe: “Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo, teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy. Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona ary izahay ireto no vavolombelon’izany. Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo lehibenareo, fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo amin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hijaly i Kristy. Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 4, 2. 4. 7. 9.


Fiv.: Aidino aminay, ry Tompo, ny hazavan’ny Tavanao.

Raha miantso aho, mba valio, ry Andriamanitra mpanamarina ahy. Ry mpanalalaka amin’ny tery ô, iantrao aho, henoy vavaka.
Fantaro ny ataon’ny Tompo ity sakaizany: vao miteny aho, dia henony avy hatrany. Iza, hoy ny maro, no mba hahasambatra azy? Ny hazavan’ny Tavanao, Tompo, aidina aminay!
Izaho vantany vao mandry dia matory amim-piadanana: Ianao irery no fananako mahafeno toky ahy!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 2, 1-5a


Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika ary tsy ny antsika ihany fa ny an’izao tontolo izao koa.

Anaka, nanoratra aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, Ilay marina. Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa. Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika. Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. Fa izay mitandrina ny didiny, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 35-48

Tsy maintsy hijaly i Kristy, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ny mpianatra avy tany Emaosy tamin’ny Apôstôly iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany an’i Jesoa tamin’ny famakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Homba anareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany”. Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: “Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao”. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary ilay mbola tsy nino iny ihany izy ireo noho ny hafaliany, sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: “Moa manan-kanina eto va ianareo?” Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo”. Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: “Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torîna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tafavory eto an-tranon’Andriamanitra isika, sahala amin’ireo mpianatra nisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona; koa akambano ny vavaka ataontsika hiara-mitalaho, mba ho tena vavolombelon’i Kristy marina isika amin’ny teny sy ny ataontsika, ka hinoan’izao tontolo izao fa Izy no Mpamonjy sy Fiainana.

Valy: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba hahavita tahaka an’i Jesoa izy ireo amin’ny maha-solontenany azy, ka hahatarika ny olona rehetra tso-po hihaino ny tenin’Andriamanitra sy hanaraka an’i Kristy.
* Maro ny kristianina tonga eo amin’ny fitondram-bahoaka, ao koa ireo mpikatroka isan-tokony eo amin’ny raharaham-pirenena; koa mangataha mba hamiratra lalandava eo amin’ny asan’izy ireo ny fampianaran’i Kristy sy ny fahazavany.
* Liam-piadanana sy mangetaheta fahasambarana izao tontolo izao; koa mivavaha mba hitondra fihavaozana sy fanantenana ho an’ny olona rehetra ny fandresen’i Kristy; ary mba ho maro ny kristianina entanim-pitiavana hamonjy ny mijaly sy ny fadiranovana tsy manan-kantenaina.
* Mivavaha manokana ho an’ireo Pretra sy Relijiozy mandany mondron-kery eto amin’ny Diôsezintsika, mba hitahian’Andriamanitra ny tenany sy ny asany ka ho tsapan’ny olona rehetra, fa momba azy hatrany ny Tompo.
* Mangataha mba hiara-dalana marina amin’i Kristy isika eo amin’ny asa fanompoana ny Fiangonana sy ny Tanindrazana, ka hahay miara-miasa mandrakariva hikatsaka ara-pahamarinana ny soa ho an’ny be sy ny maro.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Jesoa Tomponay ô, nataonao vavolombelon’ny fitsangananao ireo Apôstôly, mba hitory hatraiza hatraiza ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anaranao, koa ampio izahay haka tahaka azy ho faly hanambara ny fitsangananao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana; Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka.


Kômonio

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianatra Azy. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao: fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lo, ho enim-boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079