Sorona Masina ny Zoma 16 aprily 2021

Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Apôk. 5, 9-10

 

Ny Ranao, ry Tompo, no nanavotanao anay, dia izahay avy amin’ny foko rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra, ary natsanganao izahay ho fanjakana mpisorona ho an’ny Andriamanitra. Aleloia!

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, sitrakao ho nofantsihana ho anay teo amin’ny Hazofijaliana ny Zanakao hanafahanao anay amin’ny herin’ny fahavalo: koa rotsahy fahasoavana izahay mpanomponao hitsangan-ko velona enim-boninahitra indray andro any.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 5, 34-42

 

Dia nandeha an-kafaliana ny Apôstôly satria natao ho mendrika hitondra fahafaham-baràka noho ny Anaran’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, nitsangana teo amin’ny Sanedrina kosa itý Farisianina anankiray atao hoe i Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly. Dia hoy izy: “Ry lehilahy Israely, tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo olona ireo. Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teodasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efa-jato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona. Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy: kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy. Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha, satria raha avy amin’ny olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.” Dia narahin’izy ireo izany torohevitra izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany. Nony niala tamin’ny Sanedrina ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny amin’ny Anaran’i Jesoa. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory isan’andro tao an-tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 26, 1. 13. 14

 

Fiv.: Fangatahan-tsy mahasasatra ahy, ny honina ao an-tranon’ny Tompo.

Ny Tompo no Fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako. Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako.
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-Tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainako: mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo, sy hibanjina ny toerany masina.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 1-15

 

Nizara tamin’izay nipetraka Izy ary nampanaraniny fo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra any an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?” Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy: “Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory.” Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: “Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?” Dia hoy i Jesoa: “Asaovy mipetraka ny olona.” Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaraniny fo. Rahefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very.” Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: “Itý tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao.” Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Enga anie ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitray fianakavianao, ka mba tohano sy arovy izahay hahatahiry izay noraisinay ary ho tody any amin’ny soa omenao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

Rôm 4, 25

Natolotra hisolo voina antsika meloka i Kristy Tompontsika, ary nitsangana indray mba hanamarina antsika. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba arovy amin’ny fitiavanao mandrakariva ireo izay novonjenao; ka enga anie izay navotan’ny Zanakao nijaly sy maty ho faly mankalaza Azy nitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076