Sorona Masina ny Alahady 11 aprily 2021

ALAHADY FAHAROA - Taona B fankalazana ny Paka

MAHERY NY FINOANA OMBAN’NY FANANTENANA SY FITIAVANA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

1 Pi. 2, 2

Toy ny zaza vao teraka ianareo, koa maniria ny rononom-panahy tsy misy fangarony, mba hitomboan’ny famonjena aminareo. Aleloia.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mamindra fo lalandava ô, mamelombelona ny finoanay vahoakanao masina Ianao amin’izao fitsingerenan’ny fankalazana ny Paka izao; ka mba ampitomboy ny fahasoavana nomenao hahalalanay mazava tsara ny rano nanadiovana anay, ny Fanahy niterahana anay ary ny Ra nanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 4, 32-35

Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra.

Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra. Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona, ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra. Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy ary nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 117, 2 sy 4; 16 sy 18; 22 sy 24


Fiv.: Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo
Fa mandrakizay ny fitiavany.

Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’ny fokon’i Aarôna: Valion’ny matahotra ny Tompo: Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo toy izay amin’ny olombelona; aleo matoky ny Tompo toy izay amin’ireo mpifehy.
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo; ny tanan’ny Tompo naneho hery! Nokapohiny tokoa moa aho; nefa tsy foiny ho faty.
Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany: zava-mahagaga imasonay!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 5, 1-6


Izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao.

Ry malala, izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia nateraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra ary tsy mavesatra ny didiny, satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao; ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra? Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 20, 19-31

Nony afaka havaloana dia tonga i Jesoa.

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”. Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana”.

Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: “Efa nahita ny Tompo izahay”. Fa hoy izy tamin’izy ireo: “Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho”. Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany, sady tao koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Ary hoy Izy tamin’i Tômà: “Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino”. Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro!” Fa hoy i Jesoa taminy: “Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino”. Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo, fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mila finoana isika hahitantsika ny haben’ny fitiavan’i Kristy, ka hanarahantsika ny diany sy hakantsika tahaka Azy; koa ndeha hiara-mangataka amin’Andriamanitra mba hampitombo sy hanamafy ny finoantsika, hahafahantsika mitia sy manompo an’Andriamanitra sy ny namana tsaratsara kokoa hatrany.

Valy: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e.

* Betsaka ny mandà ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, misy koa tsy te hanankina aminy ny fiainany, ary ao koa ireo mbola tsy mahalala Azy mihitsy; koa mivavaha mba hatoron’Andriamanitra ny Eglizy izay fomba mandaitra sahaza ny ankehitriny, hoenti-mitory an’i Kristy Tompo sy Andriamanitra.
* Ny mpitondra vahoaka dia nirahin’Andriamanitra hitsinjo izay ilain’ny vahoaka sy hanamafy ny fatoram-pihavanany; koa angataho ny Fanahy Masina hanampy azy amin’ny adidiny sy hanoro azy ny lalana mitondra amin’ny fifankatiavana marina
* Hafaliana sy fanantenana, ny Paka amintsika kristianina; koa mivavaha ho an’ireo rehetra tsy manan-kifaliana sy tsy manan-kantenaina, mba hisy olona hanatona azy ireny amin’ny fitiavan’i Kristy nitsangan-ko velona.
* Maro ireo mila hampiantsika amin’ny fivavahana, indrindra ireo vao natao Batemy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho tena Apôstôlin’i Jesoa Tompo isika hanamafy ny finoan’ny namantsika.
* Be ireo milaza azy ho mpivavaka nefa manao tsinontsinona ny didin’Andriamanitra sy tsy miraharaha ny namana: koa mivavaha mba hampian’Andriamanitra hatrany isika hahatsiaro fa ny fanatanterahana ny Didim-pitiavana no tsy maintsy hisehoan’ny finoana marina.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Jesoa Kristy Tompo ô, fantatrao izahay fa malemy sy osa ary fatra-pisalasala; koa hazavao sy herezo tahaka an’i Masindahy Tômà, ary ampio hiaiky fa Ianao no Tompo sy Andriamanitra velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny fanatitra atolotray vahoakanao (sy ireto vao naterakao); fa nahazo aim-baovao izahay, satria mankatò ny Anaranao ary vita Batemy, ka enga anie hahazo ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka I.


Kômonio

Jo. 20, 27

Hoy i Jesoa tamin’i Tômà: Ataovy eto ny tananao, tsapao ny diam-pantsika; ary aza malain-kino fa minoa. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny Sakramenta raisinay amin’izao Paka izao, mba hisy vokany maharitra ao am-ponay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0787