Sorona Masina ny Alakamisy 25 martsa 2021

25 MARSA

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY NILAZANA FA HAKA NOFO NY TOMPO

Sivy volana talohan’ny Noely, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely nilaza tamin’i Maria Virjiny, fa ao aminy no ho tanteraka ny Mistery Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho Nofo. “Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao”, hoy izy, nanaiky amim-pinoana. Tanteraka teo ny Misterin’ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, fa tonga nofo tao an-kibon’i Maria Virjiny ilay Zanak’Andriamanitra. Ary dia izany no ankalazain’ny Eglizy isan-taona isaky ny 25 marsa.
Fanekena ny sitra-pon’Andriamanitra no nahatanteraka ny Mistery Fahatongavana ho Nofo: i Maria nanaiky amim-pinoana ka nandray ilay Tenin’Andriamanitra tonga Nofo sy nitondra Azy am-bohòka ary niteraka Azy; i Jesoa Kristy niditra teto amin’izao tontolo izao, dia tsy noho ny inona, fa noho ny fanekena an-dRainy. Io fanekena tao amin’izy mianaka io ihany koa no nahatanteraka ny Mistery Fanavotana, fa “ny herin’izany fanekena izany no nanamasina antsika tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Tenany teo amin’ny Hazofijaliana, ary niombonan’i Masina Maria fijaliana tamin-Janany hatrany an-tampon’ny Kalvery.”
Tsy misaraka ny Mistery Fahatongavana ho Nofo sy ny Mistery Fanavotana; koa angataho i Masina Maria amin’izao vaninandro iomanantsika hankalaza ny Paka izao, mba hanampy antsika hibebaka ka handraisantsika ny famonjena.


Tononkira fidirana

Heb. 10, 5. 7.


Nony niditra teo amin’izao tontolo izao ny Tompo dia nilaza hoe: «Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!»


Asiana VONINAHITRA ANIE…


Fangatahana

Andriamanitra ô, lahatrao ny nakan’ny Teninao nofo tao an-kibon’i Maria Virjiny mba hahatonga Azy olombelona, koa mihanta aminao izahay miaiky fa ny Mpamonjy anay dia sady Andriamanitra no olombelona: enga anie ho mendrika hiray aina amin’Izy Andriamanitra izahay.

Amin’ny alalan’Izy Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 7, 10-14


Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe: “Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faralavaky ny Seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.” Fa hoy i Akaza: “Tsy hangataka aho, tsy haka fanahy ny Tompo aho.” Ka hoy i Izaia: “Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo? Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro hanana anaka ny Virjiny, ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hataony hoe Emanoela”, izany hoe, amintsika Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 39, 7-8a. 8b-9. 10. 11.


Fiv.: Inty aho, ry Tompo, tonga hanao ny sitrakao.

na: Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.
Ny lalanao lalako, no sitrako.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra: ny sofiko manko nosokafanao. Tsy misy ilainao mihitsy izay sorona dorana sy fanonerana; ka hoy Aho hoe: Inty Aho tamy. Voasoratra amin’ny boky ny momba Ahy: ny manao ny sitrakao no mamiko; ny lalanao, ry Tompo, no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo, notorìko tamin’ny fiangonana; ny molotro tsy nakomboko: fantatrao tsara izany.
Tsy nafeniko tato anatiko ny toetranao mahatoky; nambarako ny fiangonana itony fitiavana!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 10, 4-10


Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao.

Ry kristianina havana, aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana? Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: “Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky — hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!” Voalohany aloha lazainy hoe: “Samy tsy ilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota” — nefa dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; — manaraka izany tohiziny hoe: “Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao”, ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany, mba hanorenany ny faharoa, ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.
Na amin’ny vaninandro Paka: Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 26-38


Indro hitoe-Jaza ianao, ary hiteraka Zazalahy.

Tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin’ny Virjiny anankiray fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.” Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Fa hoy ny Anjely taminy: “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro hitoe-Jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.” Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: “Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Hoy ny Anjely namaly azy: “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany, dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.” Dia hoy i Maria: “Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.” Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO…


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ndeha isika hiara-mivavaka amin’Andriamanitra Ray, izay nifidy an’i Masina Maria Virjiny ho Renin’ny Zanany tonga Nofo, mba hanampiany antsika hihaino ny Tenin’Izy Tompo sy hazoto hanatanteraka ny sitrapony, tahaka an’i Jesoa sy i Maria.

Valy: Eny Tompo ô, ka matokia tokoa Ianao, fa izaho izao hanara-dia Anao tokoa.

* Nofidin’Andriamanitra ho Renin’ny Zanany tonga olombelona i Masina Maria, koa mangataha mba homen’ny kristianina rehetra ny anjara toerana mendrika azy, ilay Virjiny Masina, ao amin’ny Fiangonany sy ny tokantranony ary ao am-pony.
* Voasandratra ho Renin’Andriamanitra i Masina Maria, kanefa vao mainka niteny hoe: «Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao»; koa mivavaha ho an’ny mpitondra rehetra mba ho tsaroany fa hanompo no itoerany eo ary hanao ny sitra-pon’Andriamanitra.
* Be ny olona vesaram-pahoriana sy fijaliana; koa enga anie izy ireo mba hitodika any amin’i Masina Maria, na tao an-tranon’omby sy teo amin’ny Kalvery, na nandositra tany Ejipta sy nitady an’i Jesoa tany Jerosalema, ka hahazo herim-po sy hahita fahazavana ary Mpanavotra.
* Voninahitr’i Masina Maria irery ny ho Reny sady Virjiny kanefa efa nomen’i Jesoa ho Renintsika rehetra izy; koa mivavaha mba samy hanatona azy, ka hahita mpiaro sy fakàn-tahaka, na ny vehivavy renim-pianakaviana na ireo tsy an-tokantrano.
* Be ny olana eo amin’ny fiainantsika, indrindra ny momba izay hanokanana ny fiainana, koa alao tahaka i Masina Maria, angataho ny Fahazavan’Andriamanitra hanilo ny lalantsika, ary mivavaha mba ho vonona hizotra amin’izay atorony isika, dia ho sambatra tsy harahi-nenina.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Andriamanitra Ray be indrafo indrindra ô, sitrakao ny nitondran’i Maria Virjiny folo volana ny Mpamonjy an’izao tontolo izao, ka nataonao heni-kaja sy voninahitra mba ho mendrika Azy izy, koa ataovy manahaka ny finoany sy ny fanetren-tenany izahay, ho mendrika hiara-tsambatra aminao tahaka azy any amin’ny mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mba raiso ny fanatitra atolotry ny Eglizinao; fantany fa ny Zanakao Lahy tokana tonga nofo no niandohany, koa enga anie izy ho faly mankalaza ny misterin’i Kristy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy:


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay voalazan’ny Anjely tamin’i Maria be finoana fa ho teraka ety amin’ny olombelona sy ho an’ny olombelona, noho ny herin’ny Fanahy Masina, Ilay nentin’izy Virjiny be fitiavana tao ambohòka mba ho tanteraka tokoa ny nampanantenaina ny zanak’i Israely ary hiharihary fa tonga tamin’ny fomba tokana aman-tany Ilay nandrasan’ny firenena rehetra.

Fa Izy no ideran’ny Anjely Anao Avo indrindra mifaly mandrakizay eo anatrehanao; mihanta aminao izahay: avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Iz. 7, 14

Indro ilay Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy ka ny anarany hatao hoe: Emanoela.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, mihanta aminao izahay: hamafiso ho raikitra ao am-ponay ny finoana marina ambaran’ny Sakramenta noraisinay. Miaiky izahay fa sady Andriamanitra no olombelona Ilay naterak’i Maria Virjiny, ka enga anie izahay nahazo hery tamin’ny nitsanganan’ny Tompo Mpamonjy, ho tody soa aman-tsara any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078