Sorona Masina ny Alahady 21 martsa 2021

ALAHADY FAHA-5 - Taona B KAREMY

TE HIHAVANA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 42, 1-2

Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ombao amin’ny ady ataoko, hanoherako ny firenena tsy mivavaka, fa Ianao no Andriamanitra mandako.


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nanolo-tena ho faty ny Zanakao fa fatra-pitia an’izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay: mba ampio hizotra faingana hankany aminy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 31, 31-34

“Hanao fanekena vaovao Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany”

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, — hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà: Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo: — Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: “Mahalalà ny Tompo”. Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, — teny marin’ny Tompo. — Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 50, 3-4. 12-13.14-15


Fiv.: Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao; koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao. Sasao tanteraka amin’ny otako aho diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ô, fanahy vaovao araikitra ato anatiko. Aza esorina anoloanao aho; ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy; fanahy mazoto ankaherezana ahy. Dia hatoroko ny meloka ny lalanao ka hiverina aminao ny mpanota.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 5, 7-9


Nianatra ny fanekena i Kristy ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay.

I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 12, 20-33

Raha maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mahavokatra be.

Tamin’izany andro izany, nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: “Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay”. Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre, ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa. Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”. Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray”. Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: “Kotro-baratra izany”; fa hoy kosa ny sasany hoe: “Anjely niteny taminy izay”. Dia hoy i Jesoa hoe: “Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo. Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”. Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, zavatra ambony sady lalina ny Hazofijaliana, ka sarotra amin’ny saintsika ny handinika ny hoe mitondra mankany amin’ny fiainana ny fahafatesana. Koa miaraha mivavaka isika mba tsy hanafintohina antsika ny Hazofijaliana, fa ho fahazavana manambara ny Paka amintsika.

Valy: Tsarovy izahay, fa be indrafo Ianao.

* Noenjehina i Jesoa, ary tsy maintsy miaritra fanenjehana ny Eglizy; koa mivavaha amin’ny Tompo mba homeny hery ireo mpitondra ara-panahy hahatontosa ny nanirahana azy, na dia misy mpanembantsembana aza.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra ara-nofo mba hananany faniriana hahita an’i Jesoa ka hahitany ny lalana hanamaivanana fijaliana ny vahoaka entiny.
* Mivavaha ho an’izay enjehina sy ampahoriana noho ny Anaran’i Kristy sy ny fahamarinany mba haharetany amin’ny finoana sy ny fanantenana, fa eo aminy sy miaraka aminy ny Tompo, ary ny fijaliana iaretany, ho zary vavaka hitondra fibebahana ho an’ireo mpampijaly sy mpanenjika.
* Mivavaha ho an’ny marary, ny sembana, ny kilemaina, ny mijaly ary ny tra-pahoriana mba hijereny ny Hazofijaliana, ka hahatsapany fa avy amin’ny Hazofijalian’i Kristy ny hasina sy ny herin’ny fijaliantsika, ary dia mba hampiraisiny amin’izay noleferin’ny Tompo ny fijaliany.
* Mivavaha ho antsika tafavory eto, mba hahaizantsika manaiky ho voam-bary alevina amin’ny tany, dia hitsimoka avy eo, ka hiarahantsika amin’i Kristy mitondra famonjena ho an’izao tontolo izao, noho ny herin’ny Hazofijaliana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, nialoha lalana anay Ianao nizotra nankeny amin’ny Kalvery, ary asainao manara-dia Anao izahay, koa hazavao ho afaka hizotra hatrany ary hahay hanolotra ny fijalianay hamonjena an’izao tontolo izao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba henoy izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, ka enga anie izahay mpanomponao nampianarinao ny finoana kristianina mba hodiovin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay tena olombelona, ka nitomany an’i Lazara sakaizany, ary tena Andriamanitra mandrakizay, ka nanangana azy hiala ny fasana; Ilay nitsena ny olombelona, ka nitondra anay amin’ny fiainam-baovao amin’izao zava-masina ankalazainay izao.

Amin’ny alalany dia mitsaoka Anao Avo indrindra ny tafiky ny Anjely sambatra mandrakizay eo anatrehanao; koa avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hifaly hihoby Anao manao hoe:

Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Jo. 11, 26

Izay rehetra velona ka mino Ahy tsy ho faty mandrakizay, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: efa nihinana ny Vatana aman-dRan’i Kristy izahay, ka enga anie ho anisan’ny rantsam-batany mandrakariva.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081