Sorona Masina ny Zoma 19 martsa 2021

19 MARSA

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA AN'I MD JÔSEFA VADIN’I MASINA MARIA VIRJINY

I Md Jôsefa dia taranak’i Davida Mpanjaka. Izy no natolotr’Andriamanitra ho vadin’i Maria, ilay Virjiny madio indrindra voafidy hiteraka ny Mesia, ka ho Ray mpamelona sy mpiaro azy mianaka. Mpandrafitra izy, hoy ny lovantsofina, ka asa tanana no nentiny namelona ny Fianakaviana Masina tao Nazareta (Galilea). Ambaran’ny Prefasin’ny Sorona Masina anio fa “i Jôsefa no ilay lehilahy marina” (Mt. 1, 19) vadin’i Maria Virjiny, “ilay mpanompo mahatoky sy hendry”, mpiambina ny Fianakaviana Masina, “nikolokolo an’i Jesoa mova tsy ray niteraka.”
Izany fitoloran-tenan’i Jôsefa ho mpiaro ny Zanak’Andriamanitra izany, dia mbola mitohy ao amin’ny Eglizy, Vatan’i Kristy; koa tahaka ny maha-Renin’ny Eglizy an’i Masina Maria Renin’i Jesoa, no maha-Mpiaro ny Eglizy an’i Md. Jôsefa, Ray mpiaro sy mpitaiza an’i Jesoa Kristy.

 

Tononkira fidirana

Lk. 12, 42

 

Indro ilay mpanompo mahatoky sy hendry nanankinan’ny Tompo ny ankohonany.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE…

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny famonjena vao nanomboka nankininao tamin’i Masindahy Jôsefa mpitaiza mahatoky, mba ho voatahirin’ny Eglizinao sy hotontosainy, ampian’ny vavak’ilay mpiaro azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Faharoan’i Samoela

2 Sam. 7, 4-5a. 12-14a. 16

 

Homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida, hoe: ‘Izao no lazain’ny Tompo: Rehefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao, dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hohamafisiko ny fanjakany. Izy no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany. Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy. Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

 

Fiv: Haharitra mandrakizay ny taranany.

Ny fitiavanao, ry Tompo, hohiraiko mandrakizay; ny fahamarinanao hambarako amin’ny taona rehetra.
Vavako no niteny, hoy Ianao: Voaorina mandrakizay ny fitiavako, ary ny fahamarinako voajoro ho toy ny lanitra!
Nanaovako fanekena ilay voafidiko, i Davida mpanompoko, nianianako. Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao, ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!
«Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy, Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!» Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay, ho azony antoka tokoa ny fanekeko.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 4, 13. 16-18. 22

 

Nanantena izy na dia tsy nisy tokony hanantenany aza.

Ry kristianina havana, tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana. Koa ny finoana no andovàna, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy, (araka ny voasoratra hoe: natsangako ho rain’ny firenena maro ianao) eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy. Nino Izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain’ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.” Koa notanana ho fahamarinany izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra

Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 1, 16. 18-21. 24a

 

Dia nanao araka izay nandidian’ny Anjelin’ny Tompo azy i Jôsefa.

I Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy. Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Ry Jôsefa zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao ankibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa dia nanao araka izay nandidian’ny Anjelin’ny Tompo azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Evanjely hafa azo fidiana

Evanjely masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 42-51a

 

Inty rainao sy izaho malahelo mitady Anao.

Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa, dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona i Jesoa, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo, ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izay rehetra nandre Azy, noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: “Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao.” Fa hoy Izy taminy: “Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?” Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO…

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao andro fankalazana an’i Md. Jôsefa izao, dia miraisa fo isika hivavaka ho an’ny Eglizy, mba hitsofan’Andriamanitra rano ny fitoriana ny finoana eran-tany; ary mangataha ho an’izao tontolo izao mba hanavaozan’Andriamanitra azy amin’ny herin’ny finoana.

Valy: Mino izahay, Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao.

* Tompon’andraikitra hampiely ny finoana marina ny Eglizy, ka mivavaha mba ho mafy orina hatrany ny finoan’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra sy ny Mpitondra fivavahana rehetra, ary mba hiroborobo tsara ny Eglizin’i Kristy.
* Mitsoka mafy ny rivo-maherin’ny fampianarana manozongozona ny finoana an’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay; koa mivavaha ho an’ny Mpitondra rehetra mba tsy ho revon’ny fiainana eto an-tany izy, ary tsy hanembantsembana ny fitoriana ny finoana.
* Niasa tanana i Md. Jôsefa, nitsemboka namelona ilay Zanak’Andriamanitra; koa mivavaha mba tsy hohamavoin’ny olona ny mpiasa tanana, ary hoambinin-java-manasatra ireo kely sy madinika.
* Mafy sy sarotra ny fivelomana ankehitriny, ka toa hadino na omen-tsiny aza ilay Nahary, koa mivavaha mba ho azontsika rehetra ny fampianarana hita amin’ny fiainan’i Md. Jôsefa, izy niasa mafy sady niankina tamin’Andriamanitra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary ô, ny finoana niainan’i Md. Jôsefa indrindra, no irin’ny Eglizinao hianaranay anio; koa arovy ny finoanay, ary ataovy mba hiainanay, sahala amin’ny nataon’i Md. Jôsefa, ka hiarahanay mpino rehetra eran-tany miezaka hanomana tany vaovao sy lanitra vaovao, hamirapiratan’ny fifankatiavana vokatry ny finoana velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ho toy ny nikolokoloan’i Masindahy Jôsefa ny Zanakao Lahy tokana naterak’i Maria Virjiny no hanompoanay Anao amin’ny fo madio tsy misy tsiny eto amin’ny ôtelinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, ary ny manao antso avo mankalaza sy mankasitraka, midera Anao amin’izao fankalazana an’i Masindahy Jôsefa izao.

Fa izy no ilay lehilahy marina natolotrao ho vadin’i Maria Virjiny Renin’Andriamanitra. Izy no ilay mpanompo mahatoky sy malina nanankinanao ny fianakavianao. Mova tsy ray niteraka tokoa izy nikolokolo ilay Zanakao Lahy tokana izay notorontoronina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina, dia i Jesoa Kristy Tomponay.

Ilay ideran’ny Anjely Anao Avo indrindra, itsaohan’ny Fiandrianana Anao, anajan’ny Fahefana Anao amin-tahotra ary iarahan’ny lanitra sy ny herin’ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo mankalaza ny Voninahitrao. Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay, hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Mt. 25, 21

Eny, ry mpanompo tsara sy mahatoky, midira hiara-paly amin’ny Tomponao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ny fianakavianao faly mankalaza an’i Masindahy Jôsefa, ary nofahananao hanina masina teto amin’ny ôtelinao, mba hoarovanao lalandava sy hoampianao hahatahiry ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084