Sorona Masina ny Alakamisy 11 martsa 2021

Karemy — Herinandro faha-3

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

 

 

Izaho no vonjin’ny vahoaka, hoy ny Tompo; na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakariva.

 

Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo avo indrindra: efa akaiky ilay andro lehibe hitondra famonjena ho anay ka enga anie izahay hitombo zotom-po hanompo Anao hankalazanay ny misterin’ny Paka.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 7, 23-28

 

Itý no firenena tsy nihaino ny feon’Andriamanitra Tompony.

Izao no nolazain’ny Tompo: “Ny amin’ny didy nomeko ny vahoakako, dia izao no nolazaiko taminy. Mihainoa ny feoko; ary Izaho ho Andriamanitrareo, ary ianareo ho vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo. Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka ny saim-pantany, nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny; nihemotra izy fa tsy nandroso. Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo tany Ejipta, ka mandraka androany, dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo Aho, naniraka azy vao maraina isan’andro Aho; kanefa izy ireo tsy nihaino Ahy, tsy nanongilan-tsofina: fa nanamafy ny hatony, nanao ratsy mihoatra ny razany aza. Holazainao aminy izany rehetra izany, nefa tsy hihaino anao izy; hiantsoantso azy ireo ianao, nefa tsy hamaly anao izy. Ka dia izao no holazainao azy ireo: ‘Itý no firenena tsy nihaino ny feon’Andriamanitra Tompony, sady tsy nety nino anatra; very ny fahamarinana, fa tsy eo am-bavany intsony.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

 

 

Fiv.: Enga anie ianareo anio hahaheno ny feon’ny Tompo, ary tsy hanamafy ny fonareo.

Avia! mifalia ka hobio ny Tompo, Ilay vatolampy sy vonjintsika. Andeha mankeo anoloany hisaotra, hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.
Avia miondreha ary miankohofa. Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika. Fa Izy no tena Andriamanitsika: isika vahoaka sy ondry fiandriny.
Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra, toy ny tany Masà sy tany Meribà. Ny razanareo dia nitsapa Ahy, kanefa nahita ny asa vitako!

 

Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 14-23

 

Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, nandroaka demony ary moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka; fa ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: “I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.” Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy. Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: “Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony. Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha lehilahy matanjaka sy ary fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra; fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vakinteny hafa azo ifidianana

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba hankasitrahanao ny fanatitra entinay vahoakanao, dia mba diovy izahay ho afaka amin’ny haratsiana rehetra, ary aza avelanao hiraiki-po amin’ny hafaliana sandoka, fa efa nampanantenainao hahazo ny valisoa manambara ny fahamarinanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Salamo 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra. Ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo tsara fo ô, tohano sy ampio izahay nofahananao tamin’ny Kômonio masina: mba hahazo ny famonjenao vokatry ny fahasoavanao sy ny fitondran-tenanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1329