Sorona Masina ny Alatsinainy 08 martsa 2021

Karemy — Herinandro faha-3

ALATSINAINY

Tononkira fidirana

Salamo 83, 3


Ny fanahiko manembona ka reraka, manina ny kianjan’ny Tompo! Ny foko sy ny nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona.


Fangatahana

Tompo ô, mba amindrao fo lalandava ny Eglizinao ka diovy sy ankaherezo, fa raha tsy Ianao, tsy afaka hijoro izy, ka enga anie ny fahasoavanao hitantana azy mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 5, 1-15a


Betsaka ny boka tao amin’i Israely nefa tsy nisy sitrana tamin’izy ireo afa-tsy i Naamàna Sirianina ihany.

I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria, dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony, fa izy no namonjen’ny Tompo ny Sirianina; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany. Fahizany kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely, izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna. Ary hoy io tamin’ny tompovaviny: “Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria manko ny tompolahiko, dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokàny tokoa!” Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony, nanao hoe: “Izao sy izao avy no nolazain’ilay zazavavy kely, avy any amin’ny tanin’i Israely.” Dia hoy ny mpanjakan’i Siria: “Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely.” Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla, ary akanjo impolo miova. Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy izay misy manao hoe: “Rahefa tonga atý aminao àry itý taratasy itý dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atý aminao i Naamàna mpanompoko, mba hositraninao amin’ny habokàny.” Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia norovitiny ny fitafiany, ka hoy izy: “Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona atý amiko hositraniko amin’ny habokàny? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.” Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe: norovitin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe: “Nahoana ianao no nandrovitra ny fitafianao? Aoka hankatý amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.” Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny, ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea. Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe: “Mandehana mandro impito ao Jordany fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.” Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe: “Indro aho manao anakampo hoe: hivoaka hankatý amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny Anaran’Andriamanitra Tompony sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka. Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abanà sy i Farfara onin’i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho, ka hadio?” Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana. Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe: “Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany hataonao, moa tsy ho nataonao ihany va? Ka maika fa izao fotsiny no nataony taminao: Mandroa, dia hadio ianao!” Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra, ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy. Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: “Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy eto amin’i Israely ihany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 41, 2. 3 ; 42, 3. 4


Fiv. : Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra velona.

Mova tsy serfa izay lian-doharano, ny foko efa liana ny Tompoko.
Mangetaheta ny Tompo ny foko, dia ilay Andriamanitra velona. Mba rahoviana aho re no handroso hiseho anoloan’Andriamanitra?
Tsilovy aho hahita ny lalana, tariho mba hahita azy marina. Hitody any am-Bohitrao masina, ilay toerana ataonao Fonenana.
Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro, higoka ny tena hasambarako. Valiha no hanaraka ny hirako, hidera ny Tompo Andriamanitro!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 24-30


Tahaka an’i Elia sy i Elisea dia tsy nirahina ho an’ny Jody fotsiny i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, raha tonga tany Nazareta i Jesoa, dia niteny tamin’ny vahoaka tao amin’ny sinagôga nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà tany amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza fa i Naamàna Sirianina ihany.” Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba ataovy tonga Sakramenta mahavonjy anay izao fanatitra atolotray hanompoana Anao izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Salamo 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenena rehetra, fa amintsika tsy mba lefy ny hatsaram-pony.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ny Kômonio noraisinay izao mba handio ny fonay no sady hampiray anay tanteraka.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.028