Sorona Masina ny Alakamisy 14 janoary 2021

Herinandro voalohany mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

 


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 3, 7-14


Mifamporisiha isan’andro dieny mbola misy antsoina hoe: “anio.”

Araka ny tenin’ny Fanahy Masina hoe: “Anio, raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny andron’ny fahasosorana, tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra, izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy, sy nizahany toetra Ahy, nefa anie efa nahita ny asako nandritra ny efapolo taona izy. Tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Maniasia amin’ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako; koa nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo”: dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona; fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe “anio”, mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana. Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 94, 6-7. 8-9. 10. 11.


Fiv.: Raha mihaino ny feony ianareo anio, aza manamafy ny fonareo.

Avia miondreha ary miankohofa,
hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.
Fa Izy no tena Andriamanitsika,
isika: vahoaka sy ondry fiandriny.

Hihaino Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:
Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà. 

Ny razanareo dia nitsapa Ahy,
kanefa nahita ny asa vitako.
Itý taranaka itý efapolo taona
dia nahatofoka Ahy, nahatezitra Ahy. 

Vahoaka mpaniasia tokoa itý.
Tsy mety hahalala ny tena lalako;
koa tezitra Aho ka nianiana,
fa ireto tsy hiadana miaraka amiko.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 40-45


Niala tamin-dralehilahy ny habokàna, ka nadio izy.

Tamin’izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.” Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: “Mety aho, madiova ianao.” Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe: “Tandremo, aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka. Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0417