Sorona Masina ny Alarobia 13 janoary 2021

Herinandro voalohany mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

 


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 2, 14-18


Izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra mba ho tonga be famindram-po Izy.

Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa i Jesoa, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny demony, sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana. Na aiza na aiza tsy mba Anjely no vonjeny, fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny. Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona; fa noho ny tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9


Fiv.: Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo! Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny tavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo: ilay niantohany tamin’i Abrahama, ilay nianianany tamin’i Isaaka.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 29-39


Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: “Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.” Fa izao no navaliny: “Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako.” Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’ny Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731