Sorona Masina ny Alahady 27 desambra 2020

ALAHADY aorian’ny nahaterahan’ny Tompo na ny 30 desambra

NY FIANAKAVIANA MASINA

FIANAKAVIANA MIFANKATIA, LANITRA ETY AN-TANY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Lk. 2, 16

Lasa nidodododo ny mpiandry ondry, ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely, mandry amin’ny fihinanam-bilona.

 

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mora fo ô, nomenao hotahafinay ny ohatra tsara namiratra tao amin’ny Fianakaviana Masina; koa rehefa maka tahaka ny hatsaram-panahy rehetra fehezin’ny fitiavana tao an-tokantranony izahay, dia enga anie mba ho faly sy ho finaritra mandray ny valisoa mandrakizay any an-tranonao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Taona A

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’ny zanak’i Siràka

Ekleziastika 3, 2-6, 12-14

Manaja ny ray aman-dreniny izay matahotra ny Tompo.

Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy; ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy. Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany; ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny. Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany; ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy. Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny. Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao, ary aza mampalahelo azy ny andro iainany. Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy, ary aza manatsinontsinona azy, rehefa be indrindra ny tanjakao. Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy; ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

127, 1. 2. 3. 4-5.

 

Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao: hasambarana moa ny anao!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra eo anivon-tranonao; ny zanako solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany: hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy

Kôl. 3, 12-21

 

Toy izao ny fiainan’ny mpianakavy eo anatrehan’ny Tompo.

Ry kristianina havana, olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka ihany koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy, izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny salamo aman-kira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy fo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 2, 13-15.19-23

Ento ny Zazakely sy ny Reniny ary mandosira any Ejipta

Nony lasa ny Majy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: “Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any mandrapilazako aminao indray, fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina, dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny Mpaminany hoe: “Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako.” Ary rehefa maty i Herôda, indro nisy Anjelin’ny Tompo, niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny, ka modia any amin’ny tanin’i Israely, fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”. Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely. Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy. Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: Fa hatao hoe Nazareanina Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

 

Taona B

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 15, 1-6; 21, 1-3

Ho tahaka ny isan’ny kintana ny taranakao.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana, ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Aza matahotra, ry Abrahama, fa Izaho no ampinganao, ary ho lehibe indrindra ny valisoanao”. Fa hoy ny navalin’i Abrahama: “Andriamanitra Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka, ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezara avy any Damasy”. Ary hoy i Abrahama: “Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy”. Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao”. Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: “Atopazo hijery ny lanitra ny masonao, ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”; ary hoy izy taminy: “Ho tahaka izay ny taranakao”. Ary nino ny Tompo i Abrahama, ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany...

Namangy an’i Sarà ny Tompo, araka ilay efa voalazany, notanterahin’ny Tompo tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy. Nanana anaka i Sarà ka tera-dahy tamin’i Abrahama tamin’ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy. Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy, naterak’i Sarà taminy dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 104

 

Fiv.: Derao ny Tompo, ry taranak’i Abrahama mpanompony.

Derao ny Tompo, antsao ny Anarany; lazao ny vahoaka ny asany ambony. Hirao Izy, antsao:
vetsoy ny asany mahavariana. Ireharehao ny Anarany masina, ny fon’ny mpitady Azy miravoa, katsaho ny Tompo sy ny heriny, tadiavo lalandava ny Tavany.
Tsarovy ny asany mahatalanjona, ny fahagagany, ny fitsaràn’ny vavany, ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny, teny nomeny taranaka arivo, niantohany tamin’i Abrahama, nianiànany tamin’i Isaaka.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

He 11, 8. 11-12. 17-19

 

Nino i Abrahama, ka nahazo taranaka mifanisa amin’ny kintana.

Ry kristianina havana, ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany... Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena. Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty... Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe: Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao; eny, natolony io zanany lahy tokana io; satria ninoany fa na dia maty aza izy, dia hain’Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aleloia.

Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 22-40 (lava), na 22, 39-40 (fohy kokoa)

Nitombo ny Zaza sady feno fahendrena.

Raha ny fohy no atao, dia avela ny ao anatin’ny [ ]

[Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema, mba hatolotra ny Tompo,] araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe: “Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo”, ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo. Ary indro, nisy Iehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany, ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely ary tao aminy ny Fanahy Masina, sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: “Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”. Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitsodrano azy ireo i Simeôna ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe: “Indro, ity Zaza ity, no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra — mba hiseho ny hevitry ny fo maro.

Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray, dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadiankanina sy fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.

[Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.]

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

 

Taona D

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam 1, 20-22, 24-28

Nentin-dray aman-dreniny tao an-Tranon’ny Tompo i Samoela kely.

Tamin’izany andro izany i Elkanà dia nahalala an’i Anà vadiny, ary ny Tompo nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy. Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra, hanatitra amin’ny Tompo ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny. Tsy mba niakatra anefa i Anà, fa hoy izy tamin’ny lahy: “Rehefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko hiseho eo anatrehan’ny Tompo sy hitoetra eo mandrakizay... Nony efa notazany ny zaza dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’omby lahy telo, sy lafarîna iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-Tranon’ny Tompo tao Silô izy. Mbola tanora kely ny zaza. Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’omby lahy iray, ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza. Ka hoy i Anà: “Aza mahafady, Tompoko, raha velona koa ny ainao, Tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo. Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko, ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy. Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’ny Tompo; nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra”. Dia niankohoka teo anatrehan'ny Tompo izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 83, 3.4.5-6.9.10

 

Fiv.: Mahatehotia ny fonenanao, Tompon’ny tafika.
Ny fanahiko manembona ka reraka manina ny kianjan’ny Tompo.

Ny foko, ny nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona.
Ny fody avy no mahita rano hialofana, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany: anilan’ny ôtelinao, ry Tompon’ny tafika, ry Mpanjakako sy Andriamanitro.
Sambatra izay monina ao an-tranonao, ka midera Anao mandrakizay.
Sambatra ny olona omenao hery rehefa mikasa hiakatra any am-bohitrao. Ry Tompo Andriamanitry ny tafika ô, mba henoy vavaka re aho, ry Andriamanitr’i Jakôba ô, aoka Ianao hampandry sofina.
Jereo, ry Andriamanitra Mpanasoa anay: tazano ny tavan’ilay Nohosoranao.
Eny, andro iray ao an-kianjanao mihoatra ny arivo any an-kafa.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 1-2. 21-24

 

Ny didy dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny hifankatiavantsika.

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Ry hava-malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny: ny hinoantsika ani Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aleloia.

Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk 2, 41 -52

Hitan’ny ray aman-dreniny teo afovoan’ny mpampianatra i Jesoa

Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy-, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo. Ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo hoe niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izy rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: “Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty irainao sy izaho malahelo mitady Anao”. Fa hoy Izy taminy:

“Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?” Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy; fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao andro ankalazantsika ny fiainan’i Jesoa tao amin’ny fianakaviany izao, dia mivavaha ho an’ny fianakaviantsika tsirairay, ary ho an’ny fianakaviam-ben’ny olombelona, mba ho feno fitiavana sy fifanajana ary fahamarinana ny fianakaviana rehetra.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Ny Eglizy no irîn’Andriamanitra ho fianakaviana hidiran’ny olombelona rehetra, koa mivavaha mba hiray hina sy hifankatia ny kristianina rehetra, izay natao ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao.
* Mivavaha mba hifampitondra toy ny mpianaka sy mpiray tam-po ny mpitondra rehetra sy ny entina, ka ho fianakaviam-be iray ny vahoaka rehetra eto an-tany, hifanampy sy hifanasoa marina tokoa.
* Itambesarana adidy lehibe sy mafy ny raim-pianakaviana amin’ny famelomana ny zanany sy izay hahasoa azy, koa mivavaha hananany herim-po, tahaka an’i Masindahy Jôsefa nitondra an’i Jesoa Zazakely nandositra tany Ejipta sy niahy ny Fianakaviana Masina tao Nazareta.
* Maro ny fianakaviana ho tafavory amin’izao taom-baovao izao mba hifanolotra arahaba sy fanomezana, koa mivavaha ho an’ireo tsy mba manan-kavana, na vahiny an-tanin’olona, mahatsiaro fa singany irery amin’ny andro toy izao.
* Nanaraka tamin-kerim-po izay nolazai’ny Anjely taminy i Masindahy Jôsefa, ka nieren-doza ny fianakaviany ary tanteraka izay voalazan’ny Mpaminany ny amin’i Jesoa, koa mivavaha mba ho haintsika ny mihaino ny feon’Andriamanitra sy manaraka izay atorony.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nifidy fianakaviana Ianao, hiainana sy hitiavana ary hizarana hasambarana; koa ataovy mba mahita fianakaviana hatramin’ny fahakely ny olona rehetra, na mba ho afaka hanorina fianakaviana: hahasambatra azy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Atolotray Anao, ry Tompo, ity Sorona fifonana ity; ary mivavaka ho anay Ilay Virjiny Renin’Andriamanitra sy i Masindahy Jôsefa, koa mitalaho an-tanan-droa aminao izahay: enga anie ny fianakavianay mba hiorina mafy ao amin’ny fahasoavanao sy ny fiadananao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny nahaterahan’ny Tompo.

 

Kômonio

Bar. 3, 38

Niseho teto an-tany ny Andriamanitsika ary niara-nonina tamin’ny olombelona.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny Kômonio masina izahay, ry Ray tsara fo indrindra, ka ataovy maka tahaka lalandava ny toe-piainan’ny Fianakaviana Masina; ary rehefa tapitra ny fahoriana ety an-tany, dia enga anie izahay hiombona hasambarana aminy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084