Sorona Masina ny Alakamisy 24 desambra 2020

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

24 DESAMBRA


Tononkira fidirana

Gal. 4, 4


Indro fa tonga ny fetr’andro, ka naniraka ny Zanany ho etý an-tany Andriamanitra.


Fangatahana

Hafaingano ny dianao, ka aza ela, ry Jesoa Tompo, ary mihanta aminao izahay: enga anie hahita fanalana alahelo amin’ny fahatongavanao fa miantehitra amin’ny fitiavanao.

Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin’Andriamanitra Ray ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky faharoan’i Samoela

2 Samoela 7, 1-5. 8b-11. 16


Haharitra mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka sady nomen’ny Tompo fandriampahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy, dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany : “Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!” Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka: “Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao ny Tompo.” Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe; izao no lazain’ny Tompo: Ianao ve no hanao trano hitoerako? Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely; ary izay nalehanao nombàko anao avokoa; ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao. Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olomalaza ambonin’ny tany. Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho, dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy, fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony, sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Hanome anao fialan-janona amin’ny fahavalonao rehetra Aho; ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao. Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29


Fiv.: Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo! Hambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao! Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko; voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!
Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho; nianiana tamin’i Davida mpanompoko; hajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao; haoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao. Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy. Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko, ho azony antoka ny fanekeko.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 67-79


Hamangy antsika ny Masoandro avy any ambony.

Tamin’izany andro izany, feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain’i Joany, ka naminany hoe: “Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony, araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany masina hatramin’ny andro tany aloha, mba hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika. He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina, dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika hanome antsika fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra, amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika. Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe: mpaminanin’ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany, mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelana ny helony. Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony, mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba raiso amin’ny fo feno fitiavana ireto fanatitra atolotray Anao: ka enga anie ho afaka amin’ny fahotana izahay mandray azy ary hadio ny fonay ho mendrika hahazo ny voninahitra amin’ny hahatongavan’ny Zanakao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II


Kômonio

Lk. 1, 68

Isaorana ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nohavaozin’izao fanomezanao mahagaga izao izahay, ka enga anie ho tahaka ny iomananay hankalaza ny nahaterahan’ny Zanakao mendrika hotsaohina no hahafaly anay hahazo ny soa mandrakizay avy aminy.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008