Sorona Masina ny Alahady 20 desambra 2020

ALAHADY FAHA-4 — Taona B fiavian’ny Tompo

NY HEVITR’ANDRIAMANITRA TSY HEVITSIKA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 45, 8

 

Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon’orana, ary ny tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao; ary satria nolazain’ny Anjely ka fantatray, fa tonga nofo i Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany hahamendrika anay hitsangan-ko velona amim-boninahitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16

 

Ho azo antoka mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka, sady nomen’ny Tompo fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy, dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany: “Jereo ange! izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!” Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka: “Andeha ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao ny Tompo”. Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehana lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Ianao ve no hanao trano hitoerako? Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely, ary izay nalehanao, nombako anao avokoa; ny fahavalonao rehetra, naringako teo anoloanao. Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany. Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho, dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy, fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony, sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Hanome anao fialan-janona tony, ho afaka amin’ny fahavalonao Aho. Ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao. Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

 

Fiv.: Hikalo mandrakizay ny famindram-ponao aho, ry Tompo.

Ny fitiavanao, ry Tompo, hohiraiko mandrakizay; ny fahamarinanao hambarako amin’ny taona rehetra.
«Vavako no niteny, hoy Ianao: Voaorina mandrakizay ny fitiavako, ary ny fahamarinako voajoro ho toy ny lanitra!»
«Nanaovako fanekena ilay voafidiko; i Davida mpanompoko, nianianako: Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao, ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!»
Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy, Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro! Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay, ho azony antoka tokoa ny fanekeko.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 16, 25-27

 

Nambara ary naseho ankehitriny ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay.

Ry kristianiana havana, ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay, (fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana) dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry indrindra anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 26-38

 

Indro hitoe-Jaza ianao, ka hiteraka Zazalahy.

Tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”. Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Fa hoy ny Anjely taminy: “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao, ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe: Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany”. Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: “Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Hoy ny Anjely namaly azy: “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe: Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro i Elizabeta rahavavinao fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao”. Dia hoy i Maria: “Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”. Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao isika efa somebiseby hankalaza ny fetin’ny Noely izao, asondroty any amin’Andriamanitra ny fo amam-panahintsika, hangataka aminy mba tsy ho ambakan’ny fiomanana ivelany ataontsika, ny fiomanana anaty handraisana an’i Jesoa vonjintsika sy fiainantsika.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Mangetaheta fahafahana sy fihavanana ary fiadanana izao tontolo izao ankehitriny; koa mivavaha mba hinoan’ny olombelona fa i Jesoa no ilay Mesia mpanafaka sy mpampihavana ary mpitondra fiadanana marina.
* Eo an-katoky ny hankalazana ny Krismasy isika sy izao tontolo izao; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hanampy ny vahoakany rehetra, hahay hanomana ny Noely amim-pitiavana, toy ny nataon’i Masina Maria sy i Masindahy Jôsefa nanomana ny fihinanam-bilona, fa indrindra handray Azy amim-pinoana toy ny nandraisan’ireo mpiandry ondry Azy fahiny tany an-dohasahan’i Betilehema.
* Maro ireo maniry mba hifaly amin’izao Noely izao fa tsy afa-manoatra, toy ny mahantra, ny antitra, ny kamboty; koa mivavaha mba haharitra amin’ny fanantenana mahavonjy izy ireny, ary mba ho haintsika ny hifampizara hafaliana amin’ireo namana ory manodidina antsika amin’izao Krismasy izao.
* Amin’izao tonon-taona izao dia mitombo raharaha ireo mpiasa any amin’ny orinasa sy ny trano fivarotana ary sampan-draharaha sasany; koa ivavaho mba hangetaheta hanatona an’i Kristy sy hoantsoiny, ka handray Azy.
* Mientan-karavoana tokoa isika miomana hankalaza ny Noely eto amin’ny fiangonantsika; koa mivavaha mba hiredareda finoana sy fitiavana an’i Kristy marina tokoa, isika tsirairay avy.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, omano ny fonay handray Anao, ary miaraka amin’i Masina Maria izahay no mangataka aminao mba hataonao mendrika Anao; koa enga anie ny Noely mba ho feno hafaliana sy feno vavaka ary feno fitiavana.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, enga anie ireto fanatitra ambonin’ny ôtelinao ireto mba hohamasinin’ny herin’ny Fanahy Masina nanaloka an’i Masina Maria.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fiavian’ny Tompo II

 

Kômonio

Iz. 7, 14

Indro ilay Virjiny fa hitoe-Jaza, ka hiteraka Zazalahy ary ny anarany hatao hoe «Emanoela».

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hahazoanay hery ny nahaterahan’ny Zanakao Lahy tokana fa manafaka hanoanana anay amin’ny sakafo avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081