Sorona Masina ny Zoma 18 desambra 2020

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

 

18 DESAMBRA

 

Tononkira fidirana

 

 

Ho tonga i Kristy Mpanjakantsika, Ilay nambaran’i Joany hoe Zanak’ondry ho avy.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: fa nandevozin’ny fahotana mangeja anay hatry ny ela izahay, ka enga anie havotan’ny Zanakao Lahitokana ho teraka ho anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 23, 5-8

 

Hanangana Solofo marina ho an’i Davida Aho.

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, — hananganako ho an’i Davida Solofo marina; hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry fehizay; ary izao no anarana hanononana Azy: “Tompo - fahamarinantsika.” Noho izany, indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, — izay tsy hanaovana intsony hoe: “Velona ny Tompo, izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra avy any amin’ny tany Ejipta”; fa hoe: “Velona ny Tompo, izay nitondra sy nampody ny firenena taranak’i Israely, avy any amin’ny tany Avaratra sy ny tany rehetra nandroahako azy. Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 71, 2. 12-13. 18-19

 

Fiv.: Ny Rariny hamony amin’ny andron’ny Tompo.

Andriamanitry ny fahamarinana ô, mba tolory ny andriana mpanapaka sy ny zanak’andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Izy hanafaka ny malahelo mitoloko tsy manan-kanampy. Ny mahantra sy ny ory hovonjeny hotsimbininy hatrany ny osa.
Eny, hisaorana anie Andriamanitra! Mahagaga ny asa nataony ka hisaorana mandrakizay izany Anarany tsy lefy laza.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony.

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 1, 18-24

 

I Jesoa dia naterak’i Maria, vadin’i Jôsefa zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baràka azy dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: “Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra.” Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ny sorona ankalazainay izao anie, ry Tompo, hahatonga anay ho sitraky ny Fonao sy ho velona mandrakizay miaraka amin’Ilay nanasitrana ny toetranay mety maty tamin’Izy nanaiky ho faty tahaka anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II

 

Kômonio

Mt. 1, 23

Hantsoina hoe Emanoela Izy, izany hoe Andriamanitra miara-monina amintsika.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Aoka hahazo ny famindram-ponao, ry Tompo, izahay mivory eto an-tranonao mba ho voaomanay amim-pomba mendrika Anao ilay andro hankalazana ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144