Sorona Masina ny Alahady 06 desambra 2020

ALAHADY FAHA-2 - Taona B fiavian’ny Tompo

AMBOARY NY LALAN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 30, 19. 30


Indro tamy hanavotra ny firenena rehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siôna; hampanakoako ny feony be voninahitra, ary ho dibo-kafaliana ny fonareo.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, enga anie izahay midodododo mitsena ny Zanakao, mba tsy ho voasakan’ny asa aman-draharaha eto an-tany, fa hotarihin’ny fahendrena avy any an-danitra, ka hiray lova amin’i Kristy mandrakizay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 40, 1-5. 9-11


Amboary ny lalan’ny Tompo.

Hoy ny Andriamanitrareo: “Ampionony, ampionony ny vahoakako”. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo, ny indroa heny valin’ny fahotany. Injany misy feo miantso hoe: “Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika. Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba. Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”. Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy, ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe: “Indro ny Andriamanitrareo! Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fahefana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany. Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho: moa tsy fiadanana no lazainy? Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny; efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana, ny fahamarinana mitrebona an-tany, ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana, ny tanintsika manome ny vokany; ny rariny mizotra anoloany, ny fiadanana manjohy ny diany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Piera Apôstôly

2 Pi. 3, 8-14


Manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika.

Ry hava-malala, izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo: amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro. Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo. Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana. Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao, ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo, amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra? Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan’ny fahamarinana. Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara, no hahitan’ny Tompo anareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 1-8


Ahitsio ny alehan’ny Tompo.

Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra. Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe: “Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny lalanao; injay misy feo miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany”, dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo, rehefa niaiky ny fahotany. Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notorîny: “Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika, hamaha ny fehikapany akory aho. Izaho nanao batemy tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao fankalazana ny Fiavian’ny Tompo izao, dia adidintsika kristianina ny manomana ny halehany hankaty amintsika sy hankao amin’ny olombelona rehetra; koa angataho Andriamanitra hanala izay misakantsakana rehetra, mba hahitan’ireo mahitsy fo mitady Azy, ny tena fahamarinana.

Valy: Tompo ô, mba ekeo ny vavakay!

* Maro ny Pretra ankehitriny no sanganehana tsy mahita izay lalana hahatonga ny olombelona eo amin’i Jesoa Kristy; koa mangataha mba hankaherezin’Andriamanitra ireo miahotra, ary hotsiloviny ireo sahy loatra.
* Samy mikaroka fomba vaovao sady mandaitra ny mpikatroka rehetra sy ny mpitondra vahoaka, hanentanana ny olona; koa mangataha amin’ny Fanahy Masina, mba samy handrotsahany hery, sy handinika ny hevitr’Andriamanitra, ka hanatanteraka azy eo amin’ny fiainana.
* Mivavaha ho an’izay rehetra mijaly, na ara-nofo na ara-panahy na ara-tsaina: hahatsiarovany fa tsy mandao Andriamanitra, ary tokony any aminy izy, hahatsapany fa eo anilany
* Tsy sahy mitory ny Evanjely araka ny maha-hafatry ny lanitra azy isika kristianina matetika; koa mangataha amin’Andriamanitra mba tsy ho fahazarana fotsiny no hivavahantsika; fa mba ho hery hiainantsika sy hanampy antsika hanome ny Evanjely amin’ny manodidina antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, iraho toa an’i Joany Batista izahay, hitondra ny hafatrao amin’izao tontolo izao, ka hanambara Anao ho fantatry ny olombelona, ary hanoro lalana ireo mbola lavitra Anao ho tonga eo aminao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena; ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hamoram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo I.


Kômonio

Bar. 5, 5; 4, 36


Mitsangàna, ry Jerosalema, ka miakara amin’ny avo, ary tazano fa iry tamy manatona anao ilay hafaliana avy amin’ny Tompo Andriamanitrao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany, mba hampianarinao hahay handanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao, sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084