Sorona Masina ny Alahady 29 novambra 2020

ALAHADY VOALOHANY - Taona B fiavian’ny Tompo

TONGAVA, RY TOMPO TSARA FO!

Tononkira fidirana

Sal. 24, 1-3

 

Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko! Ianao, ry Andriamanitra, no ifefeko: tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavalo! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao, mba ho masim-piainana izahay, hitsena an’i Kristy Ilay ho avy; ary ho mendrika ho tonga eo anilany, hahazo ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’Izy Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 63, 16b-17, 19b; 64, 2b-7

 

Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina.

Ianao ry Tompo, no Rainay, Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay. Nahoana izahay, ry Tompo ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao! Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina, dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra! Endrey raha midina Ianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra! Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa, manao toy izany, ho an’ny manantena azy, afa-tsy Ianao. Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao. Fa izao, tezitra Ianao, ary meloka izahay; — sady efa ela no toy izany —: hovonjena va izahay? Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra. Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay. Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao; ary Ianao no Ilay nanefy anay; tanimanga izahay, ary Ianao no Ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16, 18-19

 

Fiv.: Mesia sy Mpamonjy, tongava faingana aminay.
Hitondra ny fiainana, avia, avia re.

Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely, ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry. Eny, fohazy ny herinao, tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena, mitsinjova avy any an-danitra, jereo ilay foto-boaloboka, karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao, ilay zanak’olombelona omenao ny herinao. Izahay tsy handao Anao intsony; velomy izahay hiantso ny Anaranao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 1, 3-9

 

Miandry ny fisehoan’i Jesoa Kristy isika.

Ry kristianina havana, homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy: fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra; ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo, dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo amin’ny fahasoavana rehetra, hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 13, 33-37

 

Miambena, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny tompon-trano.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana: tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo. Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao fanombohan’ny fankalazana ny Fiavian’ny Tompo izao, dia aoka ho finoana feno sy fanantenana mafy no hiandrasantsika ny hiaviany, mba ho tena mpanompony mahatoky sady vonona isika.

Valy: Ampio izahay, ry Tompo, hatoky ny fitiavanao anay.

* Adidy nomena ny Eglizy ny mamelona ny fanantenana ao am-pon’ny olombelona eto an-tany; koa mivavaha mba ho hainy ny hampamirapiratra ny fanantenana amin’izao andro izao.
* Andraikitry ny mpitondra vahoaka ny manatsara ny fiainana eto an-tany; koa mivavaha mba tsy hisy fampanantenana poaka aty, fa hiposaka tokoa ny andro hanjakan’ny fahamarinana sy ny fitiavana.
* Mivavaha ho an’ireo rovi-damba ririnina, sy ireo tsy manan-kialofana fahavaratra mba hitondra fahasambarana sy fanantenana ho azy koa ny Noely iomanantsika rehetra.
* Mivavaha ho an’ny mpitolona rehetra mikatsaka ny soa iombonana, mba hameloman’i Kristy fahazavana sy fanantenana ao am-pony, hankahery azy hatrany hatrany.
* Maniry hanana toerana manokana eo amin’ny fiainantsika iray fiangonana i Kristy; koa mifampivavaha mba samy ho «mpiambina» vonona mandrakariva isika rehetra amin’izao fanomanana ny Noely izao.

 

— Azo ampiana azay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, asainao “miambina” izahay, mba ho vonona hitsena Anao amin’ny andro hiavianao; nefa mahangoly anay ny fahosanay, sy ny haizina arakotry ny fahotana an’izao tontolo izao; koa ampio izahay tsy ho resy, fa ho vonona handresy ny fahotana.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, raiso ny fanatitray nofantenana tamin’ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay ety an-tany no sady hahazoanay ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fiavian’ny Tompo I.

 

Kômonio

Sal. 84, 13

Ny Tompo no handrotsaka ny soa, ka hahabe vokatra ny tany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay, fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon’ny zava-mandalo, mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra, ary hifikiranay amin’ny harena maharitra.

Amin’ny a1alan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0611