Sorona Masina ny Talata 24 novambra 2020

Herinandro faha-34 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 84, 9

 

Hampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ny Tompo, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fony any aminy.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin’ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 14, 14-19

 

Tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.

Nijery izaho Joany, ka nahita rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin’ny Zanak’Olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany. Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery, ka nanao tamin’ilay nipetraka tambonin’ny rahona hoe: “Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà, fa tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.” Dia nalefan’ilay nipetraka tambonin’ny rahona teny amin’ny tany ny antsy fijinjàny ka voajinja ny tany.

Nisy Anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin’ny tempoly any an-danitra, nitana antsy fijinjana maranitra koa. Dia nivoaka avy eo amin’ny otely itý Anjely manam-pahefana amin’ny afo, niantso tamin’ny feo mahery, ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe: “Alefaso ny antsy fijinjànao, ka toazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanim-boaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.” Dia nalefan’ilay Anjely tany amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 95, 10. 11-12. 13

 

Fiv.: Tamy ny Tompo mba hitsara ny tany.

Ilazao ny firenena: Manjaka ny Tompo! Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona! ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny!
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany! hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy, hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy, hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo: fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 2, 31-45

 

Hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay Andriamanitra, ary hotorotoroiny ny fanjakana rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe: “Nijery ianao, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy. Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahina ny kibo amam-peny; vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany. Mbola mijery eo ianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana, namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga, ka nahatorotoro azy. Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena, sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra, ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra. Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka, izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery amam-boninahitra, sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra, na aiza na aiza itoerany, ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra, dia ianao no loha volamena. Manarakaraka anao, hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao; manaraka izany, hisy fanjakana fahatelo, ho varahina, izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra. Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra, toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra, no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo. Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga. Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy. Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga no tsy hifampitambarany.

Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay, araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana, tamin’ny tendrombohitra, ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena! Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka izay ho avy rahatrizay; marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61

 

Fiv.: Derao sy ankalazao mandrakizay Izy.

Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo, derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo, derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry lanitra, derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo, derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 5-11

 

Tsy havela hisy vato mifanongoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe: “Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.” Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: “Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?” Ka hoy i Jesoa hoe: “Tandremo sao ho voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’, fa aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.” Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: “Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

 

na hoe:

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin’ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0704