Sorona Masina ny Talata 03 novambra 2020

Herinandro faha-31 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23


Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 2, 5-11


Nilatsa-tenany ho ambany Izy, ka dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra

Ry kristianina havana, manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao: na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijalina. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 21, 26b-27. 28-30a. 31-32


Fiv.: Hametsovetso Anao ao am-Piangonana aho, ry Tompo.

Hanala voady anoloan’ny matahotra Azy aho. Ny ory hihinana ka ho voky; ireo mitady ny Tompo hidera Azy. Veloma ny ainareo mandrakizay mandrakizay.
Ny faran’ny tany hahatsiaro, ka hiverina amin’ny Tompo; ny fiankohonam-pirenena hiankohoka eo anoloany avokoa.
Eny, ny Tompo no manjaka! Izy no mifehy ny firenena! Ireo rehetra matory amin’ny tany hiankohoka aminy.
Ny fanahiko hivelona aminy, ny taranako hanompo Azy. Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo; ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny Fahamarinany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 12, 5-16a


Mifampirantsam-batana isika.

Ry kristianina havana, tena iray ao amin’i Kristy isika, na dia maro aza; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy. Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; itý moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mitondra, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana. Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy; mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 130, 1. 2 sy 3


Fiv.: Tahio am-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.

Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô, ka ny masoko mijery, tsy mianjona. Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko; ireo avo tsy sahaza halaviriko.
Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka, toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny. Matokia ny Tomponao, ô ry Jakôba ô, hatrizao sy amin’ny taona tsisy fetrany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 14, 15-24


Mandehana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.

Tamin’izany andro izany, nony avy nandre ny tenin’i Jesoa ny anankiray tamin’izay niara-nihinana taminy, dia nanao tamin’i Jesoa hoe: “Sambatra lahy izay hanana anjara amin’ny fihinanam-be any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Fa hoy Izy taminy: “Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: ‘Ndeha ianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra.’ Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: ‘Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.’ Hoy kosa ny faharoa: ‘Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.’ Ary hoy koa ny anankiray: ‘Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.’

Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony. Tezitra tamin’izay ny tompony ka nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: ‘Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka ento mankatý ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.’ Ary hoy ilay ankizilahy: ‘Tompoko, vita ny nasainao atao, nefa mbola misy fitoerana ihany.’ Dia hoy ny tompo tamin’ilay ankizilahy: ‘Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafo amin’ireo olona nasaina ireo na dia iray aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 15, 11

Ny Lalan’ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: tahaka Ahy nirahin’ny Ray izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0266