Sorona Masina ny Asabotsy 24 oktobra 2020

Herinandro faha-29 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8


Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 7-16


I Kristy no loha izay iankinan’ny tena manontolo.

Ry kristianina havana, samy manana ny ambaratongany ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy. Izany no anaovan’ny Soratra Masina hoe: “Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an’ny olona.” Inona no ilazana hoe niakatra Izy, afa-tsy noho Izy efa nidina ho any ambanin’ny tany koa? Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny Lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha dia i Kristy, Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5


Fiv.: Faly aho nilazana hoe: Andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra, nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo. Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia. Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo. Ao ny Anaran’Izy Tompo ho derain’i Israely. Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao, ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 1-11


Ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa no mitoetra ao aminareo.

Ry kristianina havana, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa, sady tsy mandeha ara-nofo; fa ny lalàn’ny Fanahin’aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa. Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin’ny nofony, mba ho tanteraka ny fahamarinan’ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy. Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo, ary Izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny Lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy aza izany. Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy; fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6


Fiv.: Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa, dia izao rehetra izao, ary izay monina ao. Naoriny ambonin’ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano, ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 1-9


Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra.

Tamin’izany andro izany, nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjò an’ireo Galileanina fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe: “Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany? Tsia hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.”

Dia nanao itý fanoharana itý Izy: “Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanim-boalobony, dia nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita. Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony: ‘Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin’itý aviavy itý aho, nefa tsy mahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’ Ary hoy ny mpiasa namaly azy: ‘Aoka re ho eo ihany izy amin’itý taona itý, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’Olona mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1841