Sorona Masina ny Alakamisy 15 oktobra 2020

Herinandro faha-28 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4


Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 1, 1. 3-10


Nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Izy.

Ry kristianina havana, i Paoly Apôstôlin’i Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra dia mamangy ny olona masina, mbamin’ny mpino ao amin’i Kristy. Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra, sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika; nampamirapirata ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany. Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rahefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6


Fiv.: Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao antsa vao ny Tompo fa mahagaga ny zava-bitany. Fa ny tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena ny famonjena amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely ilay fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany izato vonjin’Andriamanitra. O, ry tany, derao ny Tompo ka mientàna amin-karavoana.
‘Ndao, antsao am-baliha ny Tompo, anaovy antsa sy fihobiana. Feon’antsiva sy anjomara enti-midera ny fiandrianany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 47-54


Hampamoahina azy ny ran’ny mpaminany, hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe: “Loza ho anareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy! Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy. Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe: “Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny, mba hampamoahina an’itý taranaka itý avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao. Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly.” Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa itý taranaka itý. Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ka ianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo.” Raha mbola niteny izany Izy, dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro, mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942