Sorona Masina ny Talata 13 oktobra 2020

Herinandro faha-28 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4


Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 4, 31b — 5, 6


Tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy.

Ry kristianina havana, tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka. Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony. Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. Eny, averiko indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforana fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy. Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna, ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana; satria ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 41 sy 43. 44 sy 45. 47 sy 48


Ho tonga amiko anie, ry Tompo, ny hatsaram-ponao.

Ho tonga amiko, ry Tompo, ny hatsaram-ponao:
dia ny famonjenao araka ny teninao!
Aza alàna amin’ny vavako ny tenim-pahamarinanao:
fa ny satanao no antenaiko. 

Izaho mitandrina ny lalànao lalandava,
ka ho mandrakizay antaranoana.
Miriaria an-kalalahana aho satria mikaroka ny Lahatrao.

Ny firavoako dia ny baikonao,
izay mamiko aoka izany!
Ny baikonao no fanandratako tanana;
ny fitsipikao no fifaliako


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 37-41


Manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana. Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana, ka hoy ny Tompo taminy: “Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa? Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.253