Sorona Masina ny Alatsinainy 12 oktobra 2020

Herinandro faha-28 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4


Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 4, 22-24. 26-27. 31 — 5, 1


Tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.

Ry kristianina havana, voasoratra fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin’ny mpanompovavy, ary ny iray tamin’ny olona afaka. Ilay zanaky ny mpanompovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana. Ohatra amin’ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin’ny tendrombohitr’i Sinaï, miteraka ho amin’ny fanandevozana, dia i Agara izany. Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba mpanompo; fa voasoratra hoe: “Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an’izay manambady!” Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka. Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, koa mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-7


Fiv.: Ankalazaina ny Anaran’Andriamanitra.

Derao ry mpanompon’ny Tompo, derao ny Anaran’ny Tompo. Tsarovy ny Anaran’ny Tompo, na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva hidera ny Anaran’ny Tompo. Ambonin’ireo firenena, ny lazany avo dia avo.
Moa misy mitovy amin’ny Tompo? Ny Tompo mitoetra any ambony. Miondrika Izy mijery na lanitra izany na tany. Alàny amin’ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 29-42


Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany, nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe: “Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0288