Sorona Masina ny Alahady 11 oktobra 2020

ALAHADY FAHA-28 mandavantaona — A

ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA

Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 25, 6-10a

Hanomana fanasana ny Tompo, ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany, ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity, ho an’ny firenena rehetra, dia fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana. Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra. Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; Andriamanitra Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny ny Tompo. Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: “Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia ny Tompo izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravo amin’ny famonjeny”. Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6.


Fiv.: Ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho, fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny eo amin’ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany.
Tarihiny amin’ny lala-marina. Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy misy loza atahorako: satria Ianao miaraka amiko, ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan’ny rafiko: ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no ho fonenako amin’ny taona mifandimby.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 4, 12-14. 19-20


Efako ny zavatra rehetra eo amin’Ilay mankahery ahy.

Ry kristianina havana, haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona. Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy; nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany. Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 22, 1-14 (lava) na 1-10 (fohy)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny zokiolona nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin’ny nasaina hoe: ‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony, ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny. Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy handoro ny tanànany. Dia hoy izy tamin’ny ankiziny: ‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’, Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.


(Hatreo ny fohy: tohizina ihany raha ny lava no atao).


Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia hoy izy taminy: ‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Fa sina ilay olona: ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify’. Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny olona rehetra no antsoin’Andriamanitra ho tonga eo amin’ny fanasany; nefa maro no mahita fialan-tsiny tsy hanatonana Azy Tompo. Koa mivavaha ho an’ny olombelona rehetra mba samy handre ny antsony, ary haharesy ny sakantsakana rehetra, ka samy ho vonona handroso hatrany.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Any amin’ny firenena sasany, dia misy Eveka sy Pretra enjehina sy atao martiry satria miantso ny mpino hankeo amin’ny fanasan’ny Tompo; koa mivavaha ho an’ireo mpiasan’Andriamanitra mijaly, ary mangataha mba hahavokatra kristianina sesehena ny fijaliana iaretany, sy hampiroborobo ny finoana marina.
* Misy mpampiasa tsy mamela ny olona iadidiany hamonjy fotoam-pivavahana; koa mivavaha ho an’ny mpitondra vahoaka sy ny mpampiasa, mba hanaja ny fahafahana sy ny finoan’ny isam-batan’olona; ka hamela azy hivavaka, indrindra fa ny alahady sy ny andro voadidy hohamasinina.
* Ny mahantra no antsoin’ilay mpanjaka ao amin’ny fanoharana hankeo amin’ny fanasany; koa mivavaha ho an’ny mijaly sy ny ory, mba tsy hahasakana azy tsy hanatona ny Tompo ny fahoriany.
* Isaky ny Sorona masina atolotsika dia fanasan’Andriamanitra iantsoany antsika; koa mivavaha mba samy ho mendrika hanana anjara aminy avokoa isika vory eto.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Tompo Andriamanitray ô, aza avela hanentsin-tadîny amin’izay mety ho antsonao izahay; ary enga anie ny fahazoanay anjara eto amin’ny Eokaristia mba hankahery anay hanampy ny namana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie, hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: alahady tsotra II, ohatra.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rehefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1247