Sorona Masina ny Alahady 04 oktobra 2020

ALAHADY FAHA-27 mandavantaona — A

TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA

Tononkira tidirana

Est.13, 9. 10-11

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitra-ponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay, ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 5, 1-7

Ny taranak’i Israely no tanimboaloboky ny Tompon’ny tafika.

Andeha hihira ho an’ny malalako aho, ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin’ny tanety mahavokatra. Ka nasainy ny tany, noesoriny ny vato taminy; ary namboly karazam-boaloboka teo izy. Nanorina tilikambo teo afovoany izy, ary nandavaka famiazam-boaloboka koa. Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany. Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masîna ianareo, tsarao aho sy ny tanimboaloboko! Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy mamoa afa-tsy divay marikivy izy? Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin’ny tanimboaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy. Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony. Fa ny taranak’i Israely, no tanimboaloboky ny Tompon’ny tafika, ary ny olona any Jodà no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 79, 9 sy 12. 13-14. 15-16. 19-20


Fiv.: Ny taranak’i Israely no tanimboaloboky ny Tompo.

Nongotanao tany Ejipta ilay voaloboka, noroahinao ireo firenena hambolena azy; ny sampany tonga hatrany an-driaka, ny sakeliny hatramin’ilay Ony.
Koa ahoana no dia nobangainao ny fefiny? Indreo ny mpandalo tonga mioty, ny lamboala mitrongy, ny bibidia miraotra.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena, mitsinjova avy any an-danitra, jereo ilay foto-boaloboka karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Izahay tsy handao Anao intsony, velomy izahay hiantso ny Anaranao. Ry Tompon’ny tafika, ampodio izahay: ny Tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 4, 6-9


Ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana

Ry kristianina havana, aza manahy na inona na inona, fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra ny fahalalana rehetra. Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany. Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 21, 33-43

Hahofany amin’ny mpiasa hafa ny tanimboalobony.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: “Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.

Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanimboalobony; fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizy lahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako izy ireo’. Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy dia nifampilaza izy ireo hoe: ‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany’. Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoiny.

Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany?” Dia hoy ireo taminy: “Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Tsy mba novakînareo va ny Soratra Masina hoe: ‘Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?’ Noho izany, dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, izao tontolo izao dia tanimboaloboka nambolen’Andriamanitra ary irîny hahitana voany. Koa mangataha mba hiara-miasa hahavokatra ny sahan’Andriamanitra isika sy ny olombelona rehetra.

Valy; Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.

* Mivavaha mba tsy hisy mpamboly voaloboka ratsy fanahy ao amin’ny Eglizy, ka ho sahy hizahozaho amin’ny hafa sy hirehareha amin’ny zava-bitany.
* Maro ny mpitondra alaim-panahy hitady ny tombontsoan’ny tenany; koa mivavaha ho an’ireo filoham-panjakana sy sampan-draharaha isan-karazany hahafoy tena hikatsaka ny soa iombonana.
* Tsy natao ho mpitan-damba fotsiny na ho fitaovam-piasana ny tanora eo anivon’ny mpiara-belona: koa mivavaha mba hahatsapany ny adidy aman’andraikitra miandry azy, ary koa hananany risi-po sy faharetana lalandava eo am-pikatrohana, ka tsy hanaikeny ho kivy na hihemotra, na misy aza ny eso sy ny fanarabiana.
* Matetika no toa hadino sy avela fotsiny ireo antitra: koa mivavaha mba sady ho maro mpikarakara izy ireny no mba hitodika bebe kokoa any amin’Andriamanitra amin’ny taona sisa iainany.
* I Kristy Vato fehizoron’ny Fiangonana no ahatontosàntsika ny asa nanirahana antsika; koa mangataha mba hahay miara-mivondrona sy miara-mientana ao aminy isika, hahavokarantsika be eo amin’ny tany ama-monina.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, Ianao no ilay Zanaka novonoin’ireo mpamboly voaloboka ratsy fanahy; ary ny Sorona nataonao tohizina amin’izao Sorona Masina izao no namonjenao ny vahoakanao; koa enga anie hisy vokatra betsaka hatolotrao ny Ray Izay namboly.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie, ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen,


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny Mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza: satria Mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina, ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0915