Sorona Masina ny Alakamisy 01 oktobra 2020

Herinandro faha-26 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42


Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jôba

Jôb. 19, 21-27


Fantatro fa velona ny Mpamonjy ahy.

Hoy i Jôba tamin’ireo nandatsa azy mafy: “Ianareo sakaizako ahay, mamindrà fo, mamindrà fo amiko, fa nasian’ny tanan’Andriamanitra aho itý! Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an’Andriamanitra koa ianareo, ka tsy mety ho boboky ny nofoko? Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko! raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin’ny boky izy! raha mba fisokirana vy mbamin’ny firaka no isokirana azy amin’ny vatolampy ho mandrakizay! Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka Izy, ary amin’izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny, dia ny nofoko izao, no hahitako an’Andriamanitra. Eny, izaho izao no hahita Azy, ny masoko no hahita Azy, fa tsy olon-kafa. Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14


Fiv.: Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny Tanin’ny Velona.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso! Iantrao aho, ka valio! Tadiavo ny tavany! hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao! Aza afenina ahy ny tavanao! Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao! Ry ilay Mpitahy ô! aza manary!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Nehemia

Nehem. 8, 1-4a. 5-6. 7b-12


Nosokafan’i Esdrasa ny Bokin’ny lalàna, dia nitso-drano ny vahoaka izy, ary ny vahoaka rehetra kosa namaly hoe: Amen! Amen!

Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny Bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’ny Tompo an’i Israely. Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan’ny fiangonana, dia ny lehilahy sy vehivavy mbamin’izay rehetra manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay. Novakìny teo anatrehan’ny lehilahy sy vehivavy mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny Boky, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano, hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny Bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka. Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna. Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny Boky, fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy, ary rahefa nosokafany, dia nitsangana ny vahoaka rehetra. Nisaotra ny Tompo Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: “Amen! Amen!” Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny Tompo izy ireo. Ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.

Novakìny mazava ny Boky, dia ny lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakìna. Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa, mbamin’ny levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe: “Andro masina ho an’ny Tompo Andriamanitrareo itý ka aza asiana fisaonana na ranomaso.” Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna. Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: “Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina itý andro itý ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo.” Ny levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe: “Mangina ianareo fa masina itý andro itý ka aza malahelo.” Dia samy nandeha nihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11


Fiv.: Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Mahatehaniry noho ny volamena, sy ny avosam-bolamena madio; mamy noho ny tantely, sy ny toho-tantely mitsonika.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 1-12


Ho amin’ny zanaky ny fiadanana ny fiadanana lazainareo.

Tamin’izany andro izany, dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: ‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’ Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: ‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma noho ny ho amin’izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.375