Sorona Masina ny Alahady 27 septambra 2020

ALAHADY FAHA-26 mandavantaona — A

NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA

Tononkira fidirana

Dan. 3, 31. 29. 30. 43. 42

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindrafo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 18, 25-28

Raha miala amin’ny haratsiana nataony ny ratsy fanahy, dia hamelona ny fanahiny

Izao no nolazain’ny Tompo: Ianao manao hoe: “Tsy marina ny lalan’ny Tompo!” Mihainoa àry, ry taranak’i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy? Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina, ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 24, 4-5ab. 6-7. 8-9


Fiv.: Tsarovy, ry Tompo, ny famindram-ponao.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy; ampianaro ahy ny soritrao. Ny fahamarinanao itarihana ahy, Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao izay efa hatramin’ny fahagola. Noho ny fitiavanao, ry Tompo, hadinoy ny otako fahazaza.
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ny mpanota toroany lalana, ny ory entiny amin’ny marina, asehony azy ireo ny lalany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany FiIipy

Fil. 2, 1-11 (lava) na 1-5 (fohy)


Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa.

Ry kristianina havana, raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa. Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa,


(Ajanona eo raha ny fohy, tohizina ihany raha ny lava)


dia izao: na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialàny izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra, fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 21, 28-32

Nanenina izy ka nandeha ihany. Ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: “Ahoana no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahy matoa izy ka nanao taminy hoe: ‘Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanimboaloboka anio’. Fa hoy izy: ‘Tsy handeha aho’. Kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?” Hoy ireo: “Ny lahy matoa”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, aoka isika tsy hitsara izay hafa finoana amintsika, na ireo tsy maharaka ny ataontsika, satria lazain’i Jesoa aza fa mety hisongona antsika any amin’ny Fanjakan’ny lanitra ireny; koa mivavaha amim-pitokiana mba samy ho voavonjy isika sy ireo manodidina antsika.

Valy: Tompo ô, ho tonga anie ny Fanjakanao!

* Mivavaha amin’ny Tompo mba tsy hianina amin’izay vitany na oviana na oviana ny Eglizy, fa hiezaka hatrany, ary hanaiky hianatra izay soa vitan’ny hafa.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra vahoaka mba hahafantarany fa ny olombelona mety ho sorena sy hisalasala, ary mangataha ho an’ny vahoaka entina, mba hanaikeny amin-kafaliana sy hitsim-po ary fifanajana hatrany.
* Mivavaha mba handrisika antsika bebe kokoa hatrany hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fahitana mpanota mibebaka.
* Mivavaha amin’Andriamanitra mba tsy hisy hisalasala isika rehefa Izy no miantso, fa samy ho vonona hanatanteraka mandrakariva izay angatahiny.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany


Tompo ô, ilazanao izahay mba tsy hihevitra hoe tsara noho ny hafa; koa ampianaro handini-tena sy hitsara tena, ary omeo hery hanova ny toetranay ho araka ny finoanay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie ity tolotra entinay ity sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izay no fiononako amin’ny fahoriako.


Na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, ity mistery avy any an-danitra ity; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitrao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077