Sorona Masina ny Alahady 20 septambra 2020

ALAHADY FAHA-25 mandavantaona — A

NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA

Tononkira fidirana

Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjo azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina, koa mba ataovy mitandrina ny lalàna izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 55, 6-9

Ny fihevitro tsy fihevitrareo.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy. Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka, amin’ny heviny; ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo; dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. — Teny marin’ny Tompo. — Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany, no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 144, 2-3. 8-9. 17-18


Fiv.: Eo anilan’izay rehetra miantso Azy ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay. Lehibe ny Tompo, ary mendri-dera fatratra; tsy takatry ny saina ny halehibiazany.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 1, 20d-24. 27a


I Kristy no velona ato amiko.

Ry kristianina havana, homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy, na velona aho na maty. Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra; nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 20, 1-16a

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho?

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony. Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo, Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja; ka hoy izy taminy: “Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony”. Dia nankany ireo.

Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?” Fa hoy ireo taminy: “Satria tsy nisy nanakarama anay”. Dia hoy izy taminy: “Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko”. Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: “Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany; aseseo avy aty amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany”. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe: “Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro”. Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo: “Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Alao ny anao, dia mandehàna, fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho? sa ratsy ny masonao satria tsara aho?” Dia ho toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, vitsy ny mpiasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo sy mpijinja ao amin’ny sahany; nefa maro koa no miandry hantsoina, saingy tsy manampò hoe miandry akory; koa miraisa fo hivavaka ho an’ny mpiasa rehetra na ny teo efa ela na ny vao manomboka.

Valy: Tompo ô, ankasitraho izahay e, ka aza atosi-bohon-tanana.

* Tsy ny kristianina no tompon’ny Eglizy, fa Andriamanitra Izay miantso ny tiany hantsoina ary mifidy izay tiany hofidina; koa mivavaha mba tsy hisy hialona an’izay vao tonga, na omena azy ireo aza ny toerana voalohany amin’ny fiandraiketana ny Fiangonana.
* Ny famerana ny karama isan-tsokajin-draharaha dia antoka ho an’ny mpiasa, saingy mety hohararaotin’ny sasany hanaovana ny tsy rariny; koa mivavaha mba hitsinjo ny mpiasa araka ny hitsiny sy ny rariny hatrany ny mpampiasa.
* Ny fikambanantsika sy ny asa fanasoavana ataontsika dia mety hibodoan’olom-bitsy toerana; koa mivavaha mba ho tena fikambanana tsy mialon-jafy ny fikambanantsika ka handray izay rehetra vonona hirotsaka sy hikatroka.
* Maro ny tsy manana asa, maro ny tsy ampy fivelomana; koa mangataha amin’ny Tompo mba samy hahita asa ny tsy an’asa ary handray izay antonona ny fisasarany ny kely karama.
* Maro ny olona manodidina antsika no vonona hahafoy tena, fa tsy mahita izay tokony hatao; koa mivavaha mba hotoroan’Andriamanitra hevitra izy ireo hiasa ao amin’ny sahany.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, aoka hahatakatra ny fihevitrao ny fihevitray, ka mba omeo fo tena tia izahay, ary omeo saina mahay mankasitraka, handraisanay an’izay tena vonona hiara-miasa aminay eo amin’ny sahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko, ary ny ondriko mahalala Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery amin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1349