Sorona Masina ny Alahady 30 aogositra 2020

ALAHADY FAHA-22 mandavantaona — A

NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN’NY FIJALIANA

Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsamm-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay, ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 20, 7-9

Ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana ho ahy.

Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika. Nosamborinao aho, ka nahery Ianao. Zavatra fihomehezana aho isan’andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra. Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro. Hoy aho: “Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...” dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho, nefa tsy nahatana azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9


Fiv.: Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitro.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro! Vao maraina aho maniry Anao; mangetaheta Anao ny fanahiko; matimaty Anao ny nofoko; toy ny tany maina sy mangentana, toy ny tany haraka, mila rano!
Tao an-toerana masina no nahitako Anao; tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao: ka ny molotro nidera Anao, fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona; ny Anaranao hanandratako tanana: ka ny fanahy ho heni-tsoa, ny molotra hihoby, ny vava hidera.
Fa notsenainao ny vonjinao aho, ka mibitaka alofan’ny elatrao; ny fanahiko mifikitra aminao, ny tananao mihazona ahy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 12, 1-2


Samia re manolotra ny tenanareo ho sorona velona.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt.16, 21-27

Raha misy te hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany.

Tamin’izany andro izany, dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana. Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: “Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!” Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana! Manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona”. Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, i Jesoa dia nanaiky ho faty hamonjeny antsika, koa isika mpianany koa tokony ho vonona hahafoy ny aintsika hamonjena ny olona. Koa mivavaha ho an’izao tontolo izao izay novonjen’ny Tompo tamin’ny Hazofijaliany.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao e, ka tsinjovy izahay.

* Mpanohy ny asan’i Kristy ny Eglizy, ka mangataha amin’Andriamanitra mba hisy olona mandrakariva ao aminy, ho vonona ho tia namana hatramin’ny fara fitiavana.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra vahoaka sy ireo manana andraikitra amin’ny hafa, mba tsy hisy hiamboho adidy fa hahafoy tena tanteraka araka izay takîn’ny andraikiny avy.
* Mivavaha ho an’ireo zohim-pahoriana sy vesaran’adidy, mba handraisany hery vaovao ao amin’i Kristy, hitrakany sy hanefany ny adidiny.
* Mangataha ho an’ireo am-bavahoana, miady amin’ny fahafatesana sy ny fahavalon’ny famonjena, mba tsy hanary toky izy ary hiara-tsambatra amin’Andriamanitra.
* Mangataha amin’ny Tompo ny herim-po hitondrantsika tsara ny anjara Hazofijaliantsika, sy ny fahasoavana hahazakantsika ny fitsapana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, lohalaharana Ianao nihazo ny lalana mankany amin’ny Kalvery, ary miantso ny olombelona rehetra hanaraka Anao; koa ataovy tsaroanay fa ao anatin’ny mangidy ny mamy, mba hahafantaranay sy hiaikenay fa izany lalana sarotra izany no hahatongavana amin’ny fahasambarana.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’ity tolotra masina ity, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory ity haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao, ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1605