Sorona Masina ny Asabotsy 29 aogositra 2020

Herinandro faha-21 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3


Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’itý fiainana miovaova itý.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 1, 26-31


Izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana, fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 12-13. 18-19. 20-21


Fiv.: Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy, sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Ny fanahinay manantena ny Tompo. Mpitahy anay Izy sy Ampinganay! Izy no ifalian’ny fonay; ny Anarany masina no ifefenay!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 4, 9-12


Ny tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia mba hifankatiavanareo.

Ry kristianina havana, ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia sady efa manao izany rahateo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Masedônia ianareo. Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana, mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany. Mahaiza miaina amim-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo, ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo, mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 7-8. 9


Fiv.: Tamy ny Tompo hitsara ireo vahoaka araka ny hitsiny.

Ihirao hiravao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina!
Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy, izao rehetra izao sy izay monina ao aminy! Ny ony aoka hiteha-tanana; ny vohitra indray hanakora.
Mba hitsena ny Tompo izay tamy! Fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 25, 14-30


Satria nahatoky tamin’ny zavatra kely ianao, dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: “Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray; samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: “Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.” Dia hoy ny tompony taminy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao.” Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: “Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.” Dia hoy ny tompony taminy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao.” Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: “Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao, ka natahotra aho, dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao; koa indro averiko aminao ny anao.” Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: “Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako; koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.


na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008