Sorona Masina ny Zoma 28 aogositra 2020

Herinandro faha-21 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3

 

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’itý fiainana miovaova itý.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 1, 17-25

 

Mitory an’i Kristy voafantsika izahay: fanafintohinana ho an’ny olona, saingy fahendrena ho an’izay voaantson’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, tsy ny hanao batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy. Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very, ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ny hendry; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay. Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao? Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? Fa noho ny fahendren’Andriamanitra, dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao, ka dia ny hadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjena izay mino. Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena, ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily; fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso, na Jody na Jentily. Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 32, 1-2. 4-5. 10ab sy 11

 

Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena, sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka. Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 4, 1-8

 

Ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankatsitrahan’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany. Efa fantatrareo araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo, fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana, sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin’ny filan-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra, ary ny tsy hisian’ny olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo; satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika. Koa izay manamavo izany didy izany, dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra, izay nanome ny Fanahy Masina ho ao aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 96, 1 sy 2b. 5-6. 10. 11-12

 

Fiv.: Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina!

Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo, koa samia manao koràna ianareo nosy maro fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny Mpanjaka. E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro, tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa. Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara; voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka.
Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra: Ianao manerinerina mifehy ny tontolo. Ianareo izay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy, fa ny Tompa dia mitandrina an’ireo izay mino Azy.
Ny hazavana vao mitranga: ny olo-marina no tràny, ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra. Mifalia, ry olo-marina, eo imason’izy Tompo. Eny, masina ny Anarany, koa tongava ianao hisaotra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 25, 1-13

 

Intý tamy ny mpampakatra mandehàna mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’ Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’ Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’ Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’ Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.

 

na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008