Sorona Masina ny Alarobia 26 aogositra 2020

Herinandro faha-21 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3


Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’itý fiainana miovaova itý.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

2 Tes. 3, 6-10. 16-18


Raha misy tsy mety miasa dia aoka koa izy tsy hihinana.

Ry kristianina havana, mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina. Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay. Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina, ka sasatra sy trotraka erý, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza; tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo. Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana. Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Homba anareo rehetra anie ny Tompo. Itý no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra. Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 121, 1-2. 4-5


Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo sy mizotra amin’ny lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 2, 9-13


Sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjely taminareo.

Ry kristianina havana, he tsaroanareo ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman’alina izahay, no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza. Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino, ny fitondran-tenanay; hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo; fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny. Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin’ny olombelona izany, fa noraisinareo araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 138, 7-8. 9-10. 11-12ab


Fiv.: Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra.

Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitokoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran’ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana.
Ka hoy aho hoe: Ny haizina no aoka hanarona! Ny alina no hifonosako! Kanjo na ny haizina aza, tsy maizina aminao; ny alina avy no mazava toy ny andro.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 23, 27-32


Zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe: ‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’ Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo. Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.


na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078