Sorona Masina ny Alatsinainy 24 aogositra 2020

24 Aogositra

Md. BARTELEMY, Apôstôly

(Taonjato voalohany)

 

Fankalazana

I Md. Bartelemy, araka ny hevitry ny mpandinika maro no ilay “Natanaely” nentin’i Filipo teo amin’i Jesoa ka noderainy hoe: “Itý no Israelita tsy misy fitaka.” Toetra roa no nideran’i Jesoa azy, dia ny fahadiovana sy ny fahatsorana. Afa-tsy ny hevitra hafa azontsika alaina amin’ny maha-Apôstôly sy martiry azy, dia itý anankiray: Tiavo ny fahatsorana, izay toetra anisan’ny itiavan’i Jesoa manokana ny ankizy madinika ary nodidiany hananan’ny olon-dehibe.

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 2. 3

Torio ny famonjen’Andriamanitra, ambarao ny firenena ny voninahiny.

 

Asiana Voninahitra anie …

 

Fangatahana

Hamafiso ao aminay, ry Tompo, ilay finoana nananan’i Masindahy Bartelemy Apôstôly tso-po fatra-panara-dia ny Zanakao; ary enga anie ny vavaka ataony hahatonga ny Eglizinao ho famantarana mitondra famonjena ho an’ny olombelona rehetra.

Amin’ny alaian’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ... Amen.

 

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany

Apôk. 21, 9b-14

 

Ireo vato fanorenana roa ambin’ny folo dia misy ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.

Izaho Joany dia nahita Anjely iray tonga nilaza tamiko nanao hoe: “Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho vadin’ny Zanak’ondry.” Dia nentiny am-panahy tany amin’itý tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra. Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato saro-bidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely. Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18

 

Fiv.: Mba ho fantatry ny olombelona, ry Tompo, ny asanao mahery.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra. Misaotra Anao ny mpivavaka aminao. Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery, sy ny voninahitra sy harevaky ny Fanjakanao. Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao, amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra. Ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy: dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.

 

Fihobiana Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 45-51

 

Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.

Tamin’izany andro izany, nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe: “Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna, sy nambaran’ny Mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.” Ka hoy i Natanaely taminy: “Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?” Dia hoy i Filipo taminy: “Avia, ary zahao.” Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa dia nilaza azy hoe: “Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.” Ka hoy i Natanaely taminy: “Ahoana no nahalalanao ahy?” Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.” Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: “Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mino ianao, satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.” Dia hoy koa Izy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mankalaza an’i Masindahy Bartelemy Apôstôly izahay, no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie haharo ny fanampianao fa mivavaka ho anay ilay hajainay amin’izao Sorona fiderana atolotray Anao izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly I

 

Kômonio

Lk. 22, 29-30

Hanamboatra fanjakana ho anareo Aho, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko fanjakana ho Ahy, mba hihinananareo sy hisotroanareo miaraka amiko any amin’ny fanjakako, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie ny antoky ny famonjena mandrakizay noraisinay mankalaza an’i Masindahy Bartelemy Apôstôly mba hanampy anay etý an-tany sy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079