Sorona Masina ny Alahady 23 aogositra 2020

ALAHADY FAHA-21 mandavantaona — A

I KRISTY NO IORENAN’NY FIAINANTSIKA SY NY FAHEFAN’NY EGLIZY

Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo ity mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo fa miantso Anao tontolo andro!


Asiana VONINAHITRA ANIE …


Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao, mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay, eto anivon’ity fiainana miovaova ity.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 22, 19-23

Hapetraka eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida.

Izao no lazain’ny Tompo an’i Sôbnà, lehiben’ny ao an-dapa: “Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao, haongan’ny Tompo amin’ny raharahanao ianao”. Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Hiantso ny mpanompoko Aho, dia i Eliasima zanak’i Helkiasa, ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitanao, hampanaoviko azy ny samboadinao; hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao; dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema, sy amin’ny taranak’i Jodà. Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina; handrindrina izy, tsy hisy hamoha. Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny toerana mafy izy, ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 137, 1. 3. 6 sy 8bd


Fiv.: Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao, aza atsahatra ny efa nataon’ny tananao.

Midera Anao amin’ny foko tontolo aho, satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako; miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho, miankohoka mitodika ny Tempolinao.
Midera ny Anaranao masina aho, ry Tompo, noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao: nasehonao ho lehibe ny Anaranao, sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.
Rehefa miantso aho, Ianao mamaly sy mampitombo ny hery ato amiko. Avo ny Tompo ka miondrika amin’ny iva, ny mpiavona kosa ataony tazan-davitra. Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo: aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 11, 33-36


Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana, endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny lalany! Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy? Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany? Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 16, 13-20

Ianao no Piera, ary omeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?” Ary hoy ireo taminy: “Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao ety an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra”. Ary tamin’izay, dia noraràny ny mpianany tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny finoantsika katôlika dia manainga antsika anio hivavaka ho an’ilay mpandimby raharaha an’i Masindahy Piera; koa angataho Andriamanitra hanilo azy, hahafahany manome hery vaovao ny Eglizy hamonjena an’izao tontolo izao.

Valy: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofy rano re ity vahoakanao, tsofy rano izy e!

* Maro adidy ny Papa, koa angataho Andriamanitra hankahery azy handresy ny sarotra sy hiezaka hampiray ny kristianina rehetra.
* Teo amin’ny tantara dia nisy mpitondra fanjakana nanohitra ny fahefan’ny Papa, ary nisy Papa nihoatra ny raharaha ara-panahy nanirahana azy; koa mivavaha mba tsy hisy fifanjevoana sy fifanolanana toy izany intsony.
* Aty ririnina aty amintsika, ary migaingaina andro any amin’ny ilany avaratra amin’izao tontolo izao, ka maro ny mijaly sy fadiranovana; koa mangataha amin’ny Tompo mba samy homeny anjara hasambarana sy fivelomana ny zanany rehetra.
* Mivavaha isika iray Fiangonana, mba hohetsehin’ny Fanahy Masina matetika hanampy ny mpiara-belona, dia ho hita fa mbola velona eto amintsika i Jesoa, manohy ny asa famonjena sy fitiavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, enga anie ny Fanahy Masina hanampy ilay mpitondra ny Eglizinao ankehitriny sy hitari-dalana azy amin’ny fahazavany sy ny fitiavany, hitondrany ny Eglizy hiaraka aminao, ho tonga any amin’ny seranan’ny lanitra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny lanitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.


na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra, hahavitanay asa mendrika hankasitrahinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.048